Python/Fetra

Avy amin'i Wikibooks

Ny tanjontsika amin'ity pejy ity dia manao baiko iray raha toa ka marina ny fetra iray :


Mametraka fetra iray[hanova]

Izao ny baiko :

>>> a = True
>>> if a is True:
	print 'Marina'

	
Marina
>>>

Famisavisana
  • Ny a dia atao hoe ova, toerana ao amin'ny tahiry RAM natokana ho an'ilay rindrankajy Python.
  • Ny fanombohan'ilay fetra dia eo amin'i misy hoe "if a is True:" ao amin'io fetra io, a dia ilay ova ; is dia teny anglisy midika est amin'ny teny frantsay fa tsy misy dikany maha-afa-po amin'ny teny malagasy, ary True dia sanda booleana (0 = False (diso) ; 1 = True (marina))
  • Ny print 'Marina' dia ny baiko hatao raha tanteraka ilay fetra.

Mametraka fetra hafa raha tsy feno ny fetra iray[hanova]

Rehefa samihafa ny baiko hatao araka ny sandan'ny ova manana fetra iray, dia izao no atao :

>>> a = 1 # Sandan'ny ova
>>> if a == 1: # Marina
	print 'Iray'
elif a == 2: # Diso
	print 'Roa'
elif a == 3: # Diso ihany koa
	print 'Telo'
	
Iray

Famisavisana
  • Ny teny if no ahitan'ny rindrankajy ilay fetra. Ary ilay (a == 1) dia azo tapatapahana zavatra telo :
    • ilay a dia anaran'ilay ova iharan'ny fetra.
    • ilay dia midika mira ; ny teny hafa azo ampiasaina amin'ny sandan'ny fetra dia ("samihafa"), < ("latsaky ny ..."), > ("mahery ny ..."), ("mahery na mira amin'i ..."), ("latsaka na mira amin'i ...")
  • Ny sanda ao amin'ilay kaody nosoratantsika teo aloha dia 1. Rehefa tsy misy farango sosona ny sandan'ilay ova, dia, raha tsy isa ilay izy, dia ova iray hafa. Ka noho izany, raha soratra no tianao ho sandan'ilay ova, dia ilaina asiana farango sosona ilay soratra, raha tsy izany dia hamerina hadisoana NameError ilay rindrankajy, ka hijanona tsy handeha ilay rindrankajy, raha tsy voavaha izay olana izay.
  • Ilaina taperina amin'ny alalan'ny teboka roa ny fetra iray, raha tsy izany dia hamoaka SyntaxError ny rindrankajy.
  • Rehefa tapitra ny fametrahana ny fetra, dia ilaina mandingana andalana iray, tsara ny mizàtra amin'izay, satria amin'izay mora vakiana ny renifango.
  • Rehefa tia hampifanohy fetra maromaro mahakasika ova iray fotsiny, dia elif indray no ampiasaina, mitovy amin'i if ihany no fampiasana azy fa tsy maintsy misy if aloha. Raha tsy izany dia SyntaxError no karazan-kadisoana haverin'ny rindrankajy.

Mametraka mpamaritra booleana ao amina fetra iray[hanova]

Azo atao izany. Ireo teny fampiasa dia :

  • and, izay midika hoe sy
  • or, izay midika hoe na
  • not, izay midika hoe tsy

Azo atao ny mampiasa mpamaritra booleana maro, raha misy lôjikany ilay izy :

  • and not,
  • or not,
  • not ... and not

Ity misy ohatra iray :

>>> a = 1 # Sandan'ny ova 'a'
>>> if (a == 1) or (a == 2): # Fampiasana ny mpamaritra booleana 'or'
	print 'iray na roa'

iray na roa # Sanda havoakan'i Python Shell.