Python/hadisoana/NameError

Avy amin'i Wikibooks

Ny hadisoana NameError dia hadisoana iray tsy hita raha tsy efa alefa tena alefa ny raki-baiko. Rehefa alefanao amin'ny alalan'ny Alt-x ny renifangonao, dia io no ho hitanao voalohany indrindra.

Inona ilay hadisoana ?[hanova]

Ny NameError dia hadisoana iray avoakan'ny rindrankajy rehefa mametraka ova iray tsy manan-tsanda voaambara.


Fitrangan'ilay hadisoana[hanova]

Ity ny fisehon'ny hadisoana NemeError anaty renifango iray.

>>> b # ity ny renifango ; manana ova iray tsy manana sanda nambara

Traceback (most recent call last):
  File "<pyshell#3>", line 1, in <module>
    b
NameError: name 'b' is not defined
>>>

Famahana ilay olana[hanova]

Azo vahana ilay olana amin'ny alalan'ny fanomezana sanda iray an'ilay ova.

ohatra

b = '' # tohintsoratra (string) tsy manam-botoatiny, 
       # raha tohintsoratra ny ho sandan'ny ovanao, fa mbola tsy tia hanome sanda azy ianao.

na :

b = 0 # aotra, rehefa hikajy na hanisa