Teny malagasy

Avy amin'i Wikibooks

Fampidirana[hanova]

Ny litera ampiasain'ny teny malagasy, izany hoe amin'ny teny avy amin'ny teny malagasy (tsy ire teny nindramina tamin'ny teny vahiny) dia ny litera rehetra ny abidy latina, fa saingy tsy misy ny litera c, q, u, w, x. Ireo litera ireo akory dia mety misy amin'ny teny indrana toy ny taxi, Watt na Joule.

Noho ny refôrma mahakasika ny abidy malagasy tamin'ny taona roa arivo, dia navela ampiasaina ireo litera ireo mba hanamora ny fomba fanagasiana sy mba hanavao ny teny malagasy mba ho maoderina kokoa.

Gramera malagasy[hanova]

Ny feo[hanova]

  1. Ny zanapeo amin'ny teny malagasy dia a, e, i ary o. Mitovy foana ny fanononana izy ireo, afatsy rehefa any amin'ny faran'ny teny no misy azy.
  2. Ny zanapeo misosona miasa indrindra dia ay, ai, ao. Ny hafa dia ao, oe, oi, oy ary ia.
  3. Rehefa atao verindroa ny zanapeo misosona, dia tsy lasa zanapeo misosona intsony ny zanapeo misosona voalohany. Ohatra : laolao lasa lalao, irairay lasa ireray.
  4. Tsy hoe zanapeo misosona avokoa akory ny kambana zanapeo rehetra : misy ny zanapeon'ny tovona ary zanapeon'ny fototeny miaraka.