Hendin'akoho

Avy amin'i Wikibooks

Ny endin'akoho na tonon'akoho dia sakafo gasy amin'akoho.

Ireo akora ilaina :

  • Vaingan'akoho no lazaina eto : "feny - elany - nofo-tratrany (cuisse, aile, blanc)

Marihina fa mitovy ihany ny fikarakarana ny akoho na endasina na atono fa ny tena zava-dehibe dia ny ho masaka tsara sy misy hanitra tsara ny akoho.

Mila sausy izy io ka ireto ny zavatra ilaina amin'izany :

  • Menaka roa sotro lehibe
  • Tongolo gasy hasiny 10
  • Tongolo be (oignons) voany roa lehibe
  • Dità (thym) fehezany kely iray
  • Kotomila kely
  • vovoka muscade (misy mivarotra ao amin'ny Pavillon Analakely mpivarotra harona)
  • Vinaigitra roa sotro
  • Siramamy roa sotro kely na tantely iray sotro fihinanana
  • Sira izay antonona ny tsirairay

Fikarakarana :

  • Diovy tsara ny akoho ary dia atsihifo rano mba ho maina. Ataovy ao anaty fitatavanana ary fafao amin'ny lamba madio ho tena maina.
  • Teteho faran'izay madinika vitanao ny tongolo gasy, tongolo be, dità, kotomila.
  • Ataovy anaty "bol" iray, rehefa avy eo dia arotsahy ao anaty "bol" koa ny vovoka muscade sy ny siramamy na tantely. Avy eo dia arotsahy ihany koa ny akoho. Aroaroy tsara. Ny tena mety dia aroy amin'ny tanana madio ka somary tahaka ny manotra ihany. Avelao hilona adiny iray farafahakeliny. Ny tsara indrindra dia iray alina mihitsy no faharetan'ny fandomana.
  • Hanendy sy hitono amin'izay ianao

Tandremo tsy hafana be mihitsy ny afo. Ataovy malefadefaka mba ho masaka tsara hatrany anaty. Ny amin'ny atono, raha toa ka mafy loatra ny afo dia tondrahana ranon-tsira kely avy eo ambonin'ny akoho fa tsy ny afo. Iny rano iny manamasaka ny hena no manalefaka ny afo.

Mazotoa homana Tompoko !