Python

Avy amin'i Wikibooks

Ny Python dia rindrankajy fanamboarana rindrankajy. Izy io dia atao hoe langage de programmation amin'ny frantsay na rindrankajy fibaikoana amin'ny teny malagasy.

I Guido van Rossum, olom-pirenena neerlandey no namorona io rindrankajy fibaikoana io tamin'ny taona 1991. Miasa ho an'i Google izy ankehitriny.


Ireo toko[hanova]

Fampidirana amin'i Python[hanova]

  1. Fanolorana : fametrahana an'i Python eo amin'ny solosainao.
  2. Baikonao voalohany : atao ahoana ny mametaka soratra iray eo amin'ny fikandra eo ?
  3. Fetra : rehefa misy tranga iray dia inona ny atao ?
  4. Tondro mifolaka : rehefa mbola tsy feno ilay fepetra dia inona no atao miverimberina ?
  5. Ova ary karazana fampahalalana (na variable) : inona ny hotahirizina ao amin'ny tahiry
  6. Kambantsoratra manara-pitsipika (na Regular exprssion) : inona no hokarohina ?
  7. Raki-baiko mirafibika (na stantard library amin'ny teny anglisy) : ireo raki-baiko izay efa ananan'i Python hahafahana mibaiko azy moramora kokoa.

Fampidirana, tanjona[hanova]

Maro dia maro ireo rindrankajy ibaikoana misy amin'izao fotoana izao, ary samy manana ny mahamora ary ny mahasarotra azy izy ireo. Ka anjaran'izay tia hianatra hibaiko milina no misafidy azy.

Ny C miaraka amin'ny C++ tena manjazakazaka indrindra amin'izao fotoana. Tokony mianatra mibaiko amin'ny alalan'ireo fiteny ireo ny informatisianina na oviana na oviana. Anefa izy io dia sarotra ary manana fomba firafitra manakaiky ny fitenin'ny milina. Sarotra vakiana sady mandrera-maso be ny firafitry ny baikony, ary lava sady mandrera-tena aman-tsaina ny mamorona rindrankajy soratana amin'i C/C++ (toy izany ihany koa ho an'i Java).

Rehefa manomboka amin'ny fibaikoana rindrankajy dia tsara ny mianatra mampiasa izay avo lenta, izany hoe akaiky kokoa ny fomba fitenin'ny olombelona, dia rehefa voafehy tsara izany dia afaka mitsoboka amin'ny rindrankajy ibaikoana manakaiky kokoa ny fomba fitenin'ny milina.

Mandeha lavidavitra kokoa[hanova]

  1. Rakitra : zavatra itahirizana ny ova sy ireo fampahalalana azo avy amin'ny fampiasana ny rindrankajy.
  2. Fifandraisana amin'ny alalan'ny rafitsary (na Interface graphique)
  3. Fanehoana sary : ahoana ny maneho sary eo amin'ny efajoro ?
  4. Banky angona : ahoana no manao hataka any amin'ny banky angona hamerenany fampahalalana azon'ny rindrankajy ampiasaina ?