Vanim-potoana Karemy
NY FITIAVANA NO FIBEBAHANA TAKIN’NY VAOVAO MAHAFALY
[hanova]Talohan’ny asan’i Kristy dia efa niantso fibebahana hahazoana famelan-keloka i Joany Batista. Inona ary no hataonay hoy ny olona mba hibebahanay sy hahazoanay famelan-keloka ? « Aoka izay manana akanjo roa hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa » (Lk 3, 10-11). Ny fitiavantena no miteraka ny fahotana rehetra, raha fintinina. Ny fitiavantena no angalarana ny Voninahitr’Andriamanitra sy anaovana ny tena ho ivo amin’ny zavatra rehetra. Rehefa tia tena dia atokisa Andriamanitra sy ny hafa, atao fitaovana ny zavaboary sy ny hafa atao mpanompo ny tena. Tsy maintsy mibebaka sy manova fiainana. Tsy maintsy mandray lalam-baovao. Inona ary no hatao ?
Natoron’i Joany Batista ny lalana hibebahana sy hanaovana asa mendrika ny fibebahana. Ny fisokafana mankamin’ny hafa, ny fanadinoana ny tena, ny fitiavana, ny fizarana. Rehefa tsy ny tena intsony no tiavina dia resy ny fototry ny fahotana : rafiavonavonana. Ny olona mahay manadino ny tena no misokatra amin’Andriamanitra sy ny hafa ary ny zavaboary. Ohatra fototra anasongadinan’i Joany Batista ny fitiavana ny fahaizana miazara amin’ny hafa ny fitafiana sy ny sakafo ananan’ny tena. Ireo manko no maneho ny filàna fototry ny olombelona : hihinana sy hitafy mba ho afa-miaina sy miriaria miaraka amain’ny hafa : ny voky no maharaka ny namany, izay mitafy tsy miboridana ka afaka mifanerasera.
Raha mbola misy ny olona voailika tsy maharaka ny namany, voatazona any amin’ny sisiny sy tsy tafiditra amin’ny fifandraisana dia mbola manjaka ny fitiavantena sy ny fahotana. Izay te hibebaka dia asaina hisokatra amin’ny hafa ka hizara izay ananana : mamela ny hafa haharaka ny namany sy tsy ho voailika noho tsy fananana. Ireo no dikan’ny hoe « Izay manana hanina, sakafo, aoka hanome ny tsy manana ». Antso ankapobeny miantefa amin’ny rehetra io. Rehefa samy mijery ny fiainany samirery ny tsirairay avy eo, dia mbola samy manana fanampin’ezaka hatao avokoa. Tahaka ny mpamory hetra, miaramila, voalazan’i Md Lioka. Ezaka mifanandrify amin’ny asa sy ny mahaizy ny tsirairay no takiana amin’izay te hibebaka tokoa. Tsy hampandoa mihoatra raha mpamory hetra, tsy hanao ankeriny na haka ambonin’ny karama raha miaramila. Ary raha mpampianatra, mpitsabo, mpitondra fivavahana, mpivarotra, olomboafidy na mpitondra fanjakana ? Samy angatahina hanao ny asany araka ny hitsimpo sy ny feon’Andriamanitra miantso lalandava hanao ny tsara sy tsy hanao ratsy. Endrika fibebahana ny fanaovana tsara ny asa anatin’ny fahamarinana.
Fa i Kristy nirahin’Andriamanitra hamonjy ny olombelona mpanota mihitsy no miantso hoe : « Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra, mibebaha ianareo ary minoa ny Vaovao Mahafaly » (Mk 1, 15). Ny Fanjakan’Andriamanitra raha tsorina dia ny fiombonan’ny olombelona amin’Andriamanitra sy ny fiombonana misy eo amin’ny samy mpiarabelona. Manjaka Andriamanitra rehefa atao ivon’ny fiainana Izy, atahorana sy hajaina, toavina sy tanterahina ny sitrapony : ny tsara. Manjaka Andriamanitra rehefa manao asam-pahamarinana sy asam-pahamasinana ny olombelona. Manjaka Andriamanitra rehefa mifankatia sy mifandray anaty fiadanana ny olombelona. Manjaka Andriamanitra rehefa tsy ny soa ho an’ny tena ihany no tadiavin’ny olombelona fa izay mahasoa sy ilain’ny namany ihany koa. Io no Fanjakan’Andriamanitra tôrin’i Kristy. Mila fanovana famindra ny fidirana amin’izany. Resena ny fiavonavonana sy ny fitiavantena. Raisina hitarika ny fiainana sy ny atao ny Sitrapon’Andriamanitra. Hadinoina ny tena mba hahafahana manompo ny mpiarabelona.
Ny fitiavana no nandresen’i Kristy ny fahotana sy ny fahafatesana. Ny fitiavana no nanekeny ny hazofijaliana. Hoy i Md Joany : « Izao no nahafantarantsika ny fitiavana : nahafoy ny ainy ho antsika i Kristy. Raha izany no nitiavany antsika dia tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny namantsika koa isika » (1 Jo 3, 16). Rehefa avy milaza izany izy dia mandray ohatra. Raha misy manana kanefa mihirimbelona amin’ny fahorian’ny mahantra eo anilany, hoy izy, ahoana no hitoeran’ny fitiavan’Andriamanitra ao anatiny ? Raha milaza fa mibebaka isika na te hibebaka kanefa manadino ny fototry ny fibebahana : ny fitiavana ny namana sy ny mpiara-belona, dia tsy fibebahana izany. Rehefa miantso ny Jody sy ny Jentily ho amin’ny fibebahana ry Piera sy Paoly dia mampahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra aloha sy ny tokony ho fihetsika hasetry izany. I Jesoa, nanao soa tamin’ny tany rehetra nandalovany, noho ny fitiavana, dia novonoina fa nitsangan-ko velona, ka mila mibebaka mba hovonoina ny heloka ary handray ny Fanahy Masina. Nanome ohatra tamin’ny fiainana ny fitiavana i Kristy, ka izay te-havela heloka dia tsy maintsy mitia araka ny ohatra nomeny koa. Rehefa tia dia avela heloka : « Voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy» (Lk 7, 47), « Ny fitiavana manarona fahotana maro miavosa » (1 Pi 4, 8).
Ny fibebahana dia fiverenana amin’ny fitiavana. Ny fahotana manko dia fandavana ny fitiavana. Izay tena tia no olona masina satria manahaka an’Andriamanitra. Ny fitiavana no fehin’ny hatsaram-panahy rehetra (Kol 3, 14) ; ny fitiavana no fanomezana ambony indrindra 1 Kor 12, 31-13, 1-13). Ny Fanahy Masina nomena antsika tamin’ny batemy no mandrotsaka ny fitiavana ao am-potsika (Rom 5, 5). Ny vokatr’io Fanahy io dia : « fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamorampanahy, hazavampo, tsy fivadihana, fahalemempanahy, fahalalana onona » (Gal 5, 22-23).
NY TENA FIFADIANKANINA HOY I MD AUGUSTIN
[hanova]Na mitandrina ny fifadian-kanina sy tsy mihinana sakafo sasantsasany aza ny kristianina katôlika amin’ny karemy, dia mety ho samihafa ny oitra anaty manosika hanao izany. Inona anefa no tena dikan’ireo sy ilàna ny fanaovana azy ? Ny fifadiankanina dia ny tsy fanendrena sakafo mihitsy anatina fotoana voafetra. Ny fifadiana karazantsakafo sasantsasany kosa tsy fifadian-kanina fa mihinana sakafo ihany fa mety hoe tsy mihinana hena, tsy misotro divay, mihinana anana sy mandray sakafo kelikely ihany. Ny fifandiankanina ataon’ny kristianina, araka ny fampianaran’ireo Aban’ny Fiangonana toa an-dry Md Augustin, dia tsy sanatria fankahalana ny zavaboarin’Andriamanitra ka ampijaliana ny vatana, fa famonoana ny fanirian-dratsy ao anaty amin’ny alalan’ny tsy fanomezana ny vatana ny filàny rehetra.
Tamin’ny andron’i Md Augustin dia nalaza mihitsy fampianaran’ny Manikeanina. Ho azy ireo : izay rehetra momba ny nofo dia avy amin’ny Demony hany ka fahotana hatramin’ny fanambadiana sy ny fihinanan-kena satria zavatry ny nofo ireo. Nohelohin’ny Eglizy izany fampianaran-diso izany. Nohazavain’i Md Augustin tamin’ireo mpino tany Hippone ny tena dikan’ny fifadiankanina. Raisiny ny ambaran’ny Tenin’Andriamanitra : « Tsy izay miditra amin’ny olona no mahaloto azy » (Mt 15, 12) ; « Tsara avokoa izay rehetra noharian’Andriamanitra » (1 Tim 4, 4). Noho izany, raha mifady tsy hihinana karazan-tsakafo sasantsasany ny kristinaina, tahaka ny hena, dia tsy araka ny fiheverana diso voalazan’ny Manikeanina fa mba hamonoana ny fanirian-dratsy. Tsy lalàna tsy maintsy tandremana ny fifadiana tamin’ny andron’i Md Augustin sy ry Md Léon. Tsy noho izy lalàna tsy maintsy tandremana no ifadiana. Tsy ny rehetra no nifadihanina fa misy ireo« ascètes » izay maro tokoa tamin’izany, manao fifadiana lava sy mitohy mihitsy. Ny sasany kosa rehefa karemy ihany vao mifady. Misy tsy mifady mihitsy. Nalalaka ny mpino. Ny dikan’ny fahalalahana nomena ny mpino dia mba ho an-tsitrapo sy maimaimpoana ny fifadiana.
Ny fihatsarambelatsihy dia tena nampitandremina Hentitra sy nampitandrina ny fihatsarambelatsiny na ny zavatra ivelambelany fotsiny i Md Augustin. Tsy misy dikany ny fifadiana raha atao amin’ny fihatsarambelatsihy. Maro manko no maneho ivelany fotsiny hoe mifady. « Sazio ny vatantsika - hoy Md Augustin - ataovy manompo antsika izy, ary mba mba hisorohana ny hitondran’ny nofo mpikomy antsika amin’izay voarara, eny fa na amin’ireo azontsika atao aza. Tapahontsika aminy hatramin’ny azontsika omena azy aza. Tandremo anefa sao fanovana ho hafa ny filantsika fotsiny izany fa tena tsy omena azy mihitsy izay tadiaviny ». Ho an’ny sasany manko, mba hasolo ny divay dia mitady zava-pisotro hafa tsy fahita indray izy satria mifady divay. Satria mifady hena dia mitady sakafo hafa hasolo azy toy ny atody na trondro, sns. Tsy misy dikany ny fifadiana amin’izany hoy i Md Augustin fa mivadika ho fanararaotana (abus) indray aza.
Io famonoana ny filan’ny nofo (mortification) io dia tokony ho tena famonoana ny fanirian-dratsy tokoa. Tsy ilainany mitandrina hanatanteraka lalàna fotsiny, na vita ara-bakiteny aza ny fitandremana izay voalazan’ny lalàna momba ny fifadiana, satria tsy ampy hampilamina ny feon’ny fieritreretana eo anatrehan’Andriamanitra sy ny Sitrapony ny fitandremanan didy fotsiny. Tsy maintsy vokatry ny fo no ifadiana. Ny maha mpanota antsika no iorenan’ny fifadiana atao. Navotan’ny hazofijalian’i Kristy isika ka tsy afaka hiaina izany mistery izany raha tsy voamariky ny hazofijaliana ny nofontsika.
Hafahafa hoy Md Augustin ny mahita ny fomban’ny sasany : mifady hena izy kanefa mividy karazan-tsakafo hafa sady sarotra karakaraina no mbola lafo vidy koa. Tsy izany no fifadiana. Fanovana endrika fotsiny ny fahafinaretana tadiavina izany, hoy izy. Ny antony ifadiana anefa dia mba hahazoana anjara homena ny mahantra. Tsy mifanohitra sy hafahafa ve raha mividy karazantsakafo lafo vidy kokoa ny olona sasany hasolony ny hena ? Vahaolana tsotra no atoron’i Md Augustin : « Ataovy kely araka izay tratra ny fandaniana ho anao, ary manomeza betsaka sy miavosa kosa ho an’ny mahantra ». Izany no olona tena mifady karazantsakafo sasany araka ny marina tokoa fa tsy ny hoe manova endrika fotsiny ny filam-pahafinaretany (hena asolo trondro na atody ; divay asolo toaka mahery, sns).
Efa hatramin’ny fiandohan’ny Eglizy no nampianarina ny kristianina fa ny fifadiankanina araka ny fomba tena kristianina dia tsy hoe famolahantena fotsiny (ascèse) fa miara-dalana amin’io ary tena tsy misaraka aminy ny fanaovana io fifadiana io ho lalana na fomba ahafahana manompo amim-pitiavana ny mpiarabelona, indrindra ny mahantra sy ny sahirana. Ny atao hoe kristianina, araka ny tena maha izy azy, dia ireo olona manary ny karazana fitiavan-tena samihafa azo eritrererina ao aminy. Ny didim-pitiavana izay itiavana miaraka an’Andriamanitra sy ny namana no mibaiko ny fiainana kristianina. Io fiainana tarihin’ny didim-pitiavana roa tsy misaraka io dia tokony hiseho lalandava amin’ny atao, amin’ny asa. « Raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany (…) » (1 Kor 13, 3).
Raha lazaina ny fototry ny fampanaran’i Md Augustin momba ny fifadiankanna dia tsotra : tsy mijanona eo amin’ny maha fifadiana ataon’ny tena azy ny fifadiana. Tsy mamokatra ny tsy fihinanana na tsy fisotroana an’izao sy izao raha tsy ahazon’ny mahantra fanampiana sy vonjy avy amin’izany. Izay tsy nohaninao tamin’ny tokony nohaninao na nosotroinao dia homena ny mahantra avokoa fa tsy hoe hahazoana tahiry hanaovana ny asanao hafa.
NY FITIAVANA NO ENTO MANAO ASA FIANTRANA
[hanova]Isan’ny mandrafitra ny ezaka karemy ny fiantrana na fanaovana asa soa amin’ny mahantra. Mila asiana dikany anefa izy ireny, mifototra amin’ny tena fitiavana tokoa. Tsy ampy ny manome sy mizara fa tokony hatosiky ny tena fitiavana ny fiantrana sy ny fanaovana asa soa. Ny tena fitiavana dia fiainana ny fahantrana miaraka amin’ny mahantra. Maro ny manome zavatra ny mahantra rehefa karemy : manome vola, fitafiana, sakafo na fanomezana hafa. Ao ny manome mivantana eo noho eo izay mahantra mangataka aminy. Ao koa ireo manangona ny vokatry ny fitsitsiana ka manolotra ny vola azo ho an’ireo any am-ponja, ireo fitaizana zaza kamboty, amin’ireo marary faradiranovana any amin’ny hopitaly, na manome ny voangony ho an’ny faritra niharana loza voajanahary.
Tsara ny manome ary tokony hataon’ny mpino tokoa. Mila mandeha lavidavitra kokoa anefa fa tsy tokony hijanona amin’ny hoe efa nanome ka ho afapo ny saina sy ny fo ary ny fanahy. Tsy ampy ny manome zavatra ny mahantra. Tsy maintsy tonga iray amin’ireo mahantra mihitsy ilay manao asa fiantrana. Izany toetra izany no andrasana amin’ny mpino manao ezaka karemy. Tsy fahantrana ara-materialy no hanahafana ny mahantra izay mijaly ara-tsakafo na ara-pitafiana, ara-pivelomana. Ny fahantrana araka ny toe-tsain’ny Evanjely dia ny tsy fananana zavatra na olona hianteherana fa fianteherana amin’ny fitantanan’Andriamanitra irery ihany. Mahantra ianao rehefa miaiky fa avy amin’Andriamanitra no ahazoanao izay haninao na itafianao. Na manam-be ampy hiadanana aza ianao dia afaka tonga mahantra rehefa mijery izay anananao ho fanomezan’Andriamanitra. Rehefa tonga amin’izay toe-po izay ny olona dia hiova koa ny fomba ampiasany sy itantanany izay eo ampelantanany. Ho mora ho azy ny hizara amin’ny tsy manana izay ananany. « Nomena maimaimpoana ianareo ka manomeza maimaimpoana » (Mt 10, 8). Izany no fahantrana ara-panahy ilazan’i Jesoa izay manana izany toetra izany hoe sambatra.
Manao ezaka karemy ny anabeazan’ny olona, mihafy amin’ny hanina sy ny fisotro, indrindra amin’ny tranon-drelijiozy sy amina seminera, ary mbola misy aza ny fanangonana fitafiana hozaraina amin’ny mahantra. Ratsy ny atao raha mihafy sy mifady kanefa manadino ny mahantra hoy Md Augustin (Sermon. 210). Alohan’ny zavatra rehetra hoy izy dia aza adino ny mahantra fa amin’izany ianao no manokana rakitra ho anao any amin’ny mandrakizay, rehefa manokana vokatry ny fihafianao ianao ary miaina mampisa ny antonony. I Kristy mihitsy no mahantra soavinao. Amin’izay ny fihafiana an-tsitrapo ataon’ny mpanana dia mampahazo anjara betsaka ny mahantra. Ny ohatra lavorary amin’ny fiainana ny fitiavana dia miainga amin’ny ohatra omen’i Kristy. « Mifankatiava ianareo tahaka ny itiavako anareo » (Jo 13, 34). Rehefa mitia dia tsy araka ny fomba fitiavantsika fa araka ny ohatra sy ny fomba nitiavan’i Kristy : tia tsy misy kajikajy fa tia maimaimpoana, tia tsy miandry valim-pitia. Tsy izay tia antsika na mahavaly ny ataontsika no tiavina fa tiavitsika hatramin’ny tsy mahatehotia, na ireo mankahala sy manenjika natsika, ny fahavalo koa aza.
Toetra roa no iavahan’ny fitiavana tena kristianina : rehefa mitia ny kristianina dia mipetraka amin’ny toeran’ilay olona, mahazo izay manjo azy, tsy mipetraka amin’ny toerana ambony kokoa noho ilay hafa fa milahatra hitovy aminy (Fil 2, 7). Ny endrika faharoa itiavan’ny kristianina ny hafa dia ny fanompoany azy, ka manadino ny tenany izy ary maka tahaka an’i Kristy izay mahafoy ny ainy ho an’ny namany (Jo 15, 13). Rehefa ireo toetra roa mampiavaka ny fitiavana kristianina ireo no atao dia misy dikany sy mamokatra ny fifadiankanina atao. Tsy mihinana an’izao sy izao aho mandritra ny karemy satria hitako fa maro ny mahantra tsy mba manana akory na ny farany kely tokony mba hivelomany. Noho izany dia te hiaina tahaka azy ireo, ary ataoko tsapako amin’ny nofoko izany hoe mandre noana, mijaly mba hahazoako izay tena iainan’ny hafa mahantra sy tsy manana. Ny mifanohitra amin’izany no atao hoe « manontany ny ory », « inona izany atao hoe noana ? », toa maneso. Sady manandrana ny fiainam-pijaliana aho amin’izany no manome hafaliana ny mahantra mba hihinana koa.
Tsy fangorahana ihany izany fa vokatry ny faharesena lahatra hoe ho an’ny mpino dia miseho sy miaina amin’ireo mahantra i Kristy. Raha misy fitiavana an’i Kristy dia tsy hotadiavina any lavitra any izy fa avy hatrany dia hita mora foana amin’ireo mahantra. Raha mitady an’i Kristy amin’ny fivavahana maro sy ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra isika kanefa tsy miraharaha ny mpiarabelona amin’ny manjo azy dia diso lalana tanteraka. Raha nahay nijery sy nitady azy ary nanompo ny mahantra kosa dia tena mifanena amin’ny tenan’i Kristy mihitsy. Ny fisian’i Kristy ao amin’ny tsirairay mihitsy no mitarika amin’izany fihetsika izany. « Raha misy tsy manana ny fanahin’i Kristy dia tsy azy izy » (Rom 8, 9). Ny fifadiankanina koa dia fandraisana anjara amin’ny hazofijalian’i Kristy, sady fanonerana fahotana no fanaovana sorona ny tena satria asa maneho fitiavana, analorantsika ny tenantsika ho sorona velona sy masina ary ankasitrahana ho an’Andriamanitra (Rom 12, 1). Rehefa mifadihanina koa isika dia sady mamindra fo amin’ny hafa satria mamonjy azy amin’ny fahoriana mihatra aminy, mamaly ny filàny (Rom 12, 13). Ny fitiavana no fototra mibaiko ny fiainana kristianina araka ny didy vaovao nomen’i Kristy. Mangataha isan’andro mba ho lavorary amin’ny fitiavana isika. Ny hazofijaliana dia fitiavana, ny fitiavana mahavonjy.