Tantara kilasy famaranana

Avy amin'i Wikibooks
Aller à la navigation Aller à la recherche
FIZARANA II

NY TOMBAM-BOKATRY NY ADY LEHIBE FAHAROA[hanova]

Ny ady lehibe faharoa izay naharitra 6 taona, dia nifarana tamin’ny volana Septembre 1945. Ny faharesen’I Alemaina nazi ny volana Avrily 1945 sy ny filavoan’I Japana lefona taorian’ny daroka baomba atomika tany Nagasaki sy Hiroshima no tranga nanamarika ny fiafaran’ny ady. Navesatra ireo vokatra nateraky ny ady.

I- Tombana teo amin’ny lafiny mponina[hanova]

1) Ny fahafatesana olona

Tombanana ho 50 ka hatramin’ny 60 tapitrisa ny olona maty. Araka io isa io, dia azo lazaina fa ny ady lehibe faharoa no ady nahafatesan’olona be indrindra teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona. I Eoropa no kaontinanta nisian’ny maty be indrindra satria dia nahatratra 30 tapitr’isa no maty tao. Ankoatra ny maty dia namela olona nitondra takaitra, kamboty ary mananontena an’apitrisany ny ady.

2) Fiovana teo amin’ny lafiny ara-mponina

Nahatonga tsy fifandanjana maro ny ady :

· Ny vehivavy no lasa maro an’isa teo anivon’ny mponina.

Ohatra : tany URSS raha 94 tapitr’isa ny lahy dia, 114 tapitr’isa ny vavy.

· Nitombo isa ny beantitra, ary nihena ireo olona afa-miasa.

· 30 tapitrisa ny olona nafindra toerana nohon’ny antony samihafa.

3) Teo amin’ny lafiny ara moraly

· Fikorontan,an-tsaina lalina nateraky ny fahitana ireo habibiana niseho nadritry ny ady

· Fikomiana anaty noho ireo heloka bevava nitranga nandritra ny · Fikomiana anaty noho ireo heloka bevava nitranga nandritra ny · Fikomiana anaty noho ireo heloka bevava nitranga nandritra ny · Fikomiana anaty noho ireo heloka bevava nitranga nandritra ny ady.

II- Tombana teo amin’ny lafiny ara toe-karena[hanova]

1) Teo amin’ny lafiny materialy

Nohon’ny faharetan’ny ady, dia marobe ireo fahapotehan-javatra : ireo fotodrafitr’asa an-tanan-dehibe toy ny trano, orinasa, lalana… ary ireo tany fambolena maro izay tsy azo nambolena intsony.

2) Teo amin’ny lafiny ara-bola

Nahatonga fahasahiranana ara-bola goavana ny ady, indrindra ho an-dry zareo eoropeana. Nohon’ny fandaniam-bola miopapana nandritra ny ady, ireo findramam-bola, dia latsaka an-katerana ry zareo eoropeana: tsy nanambola intsony no boka trosa. Vokatr’izany, dia lasa niankin-doha manoloana an i Etazonia sy ireo firenem-baovao matanjaka toa an’i Canada ny Eoropeana.

III- Tombana teo amin’ny lafiny ara toe-karena[hanova]

Faharavan’ireo tanjak’ireo firenena eoropeana ; Frantsa, Alemaina, Fanjakana Britanika, sy aziatika : Japana, Sina…

· Fiovana teo amin’ny sisin-tanin’ny Eoropeana: I Alemaina ohatra dia nihena 24% nihoatra ny taona 1937.· Fihozongozonan’ny fanjakazakan’I Eoropa maneran-tany

· Nanafaingana ny fanafoanana ny fanjanahan-tany ny ady ary nahatonga ny fisandratan’ireo firenena vaovao nitombo tanjaka : Etazonia sy ny firaisana sovietika.

NY LAMINA VAOVAO MANERAN-TANY NANOMBOKA NY TAONA 1945[hanova]

A- Ny fifandanjan-kery vaovao

1) Ny fitotonganan’i Eoropa

Nahatonga ny fahalemen’i Eoropa ny ady lehibe faharoa. Nikoroso fahana ireo firenena matanjaka tao.

Teo amin’ny lafiny ara toe-karena, dia very teo ampelatanany avokoa ireo fototra niorenan’ny fanjakazakany maneran-tany. Ny fahafatesan’olona betsaka, ny faharavana sy ireo fahavoazana ara toe-karena ary ny tsy fananam-bola, dia nahatonga azy ireo hiankin-doha tanteraka manoloana an’I Etazonia sy ireo firenena matanjaka vaovao toa an’I Canada, Australie, Nouvelle Zélane… izay hany sisa afaka mamatsy azy amin’ireo filany andavan’andro sy manampy amin’ny fanarenana ny ady.

Teo amin’ny lafiny ara-politika, dia tsy natanjaka sy nanan-kasina ary nanjakazaka toy ny teo aloha intsony ny eoropeana. Ny ankamaroan’ireo firenena tany Eoropa afovoany sy Antsinanana, dia lasa teo ambany fiahian’ireo firenena matanjaka ary nihozongozona ireo Mpanjanaka.

2) Ny fisongadinan’ny Ngeza roa tonta sy ireo firenem-baovao

Ny fanjakazakan’ny « ngeza roa tonta » sy ny fipoiran’ireo firenea matanjaka vaovao no nanamarika ny lamina ara-jeografia politika taorian’ny ady.

a) Ny fahamafisan’ny tanjaka Amerikana

I Etazonia no firenena nahazo tombony indrindra tamin’ny ady. Nampanakarena azy misimisy kokoa io l'op ady lehibe faharoa io. Voalohany indrindra dia nitombo avo roa heny ny famokarana indostrialy ny taona 1939-1945. Manaraka, nahatonga firoboroboana fatratra ho azy ireo ihany koa ny ady : saika foana ny isan’ireo tsy an’asa, nitombo avo roa heny no mihoatra ny fidiram-bolan’ny fanjakana. Ankoatra ny fahamafisana ara-toe-karena sy ara-bola, dia lasany avokoa ny 80% ny volamena maneran-tany. Farany, io tanjaka ara toe-karena io dia nanamafy ny fahamboniana amerikana sy ny lanjany maneran-tany teo anivon’ny sehatra maro: ara-politika, ara-tafika, ara-poto-kevitra…

b) Ny fisongadinan’i URSS

Lasa firenena matanjaka i URSS taorian’ny ady lehibe faharoa, eny na dia potiky ny ady aza ny toe-kareny. Ny tanjaka ara-tafika, indrindra fa ny fahareseny an’i Alemaina nazi, dia nanamafy ny toerany ara-politika maneran-tany. Ankoatra izay, dia nahazo tany betsaka ihany koa izy ho tambin’ny fahavoazana, ary lasa firenena midadasika indrindra maneran-tany. Teo amin’ny lafiny ara-poto-kevitra, dia nahazo vahana ny firehin-kevitra kaominisma tany Eoropa atsinanana, indindra teo anivon’ireo firenena nafahany . Niha nahazo laka tsikelikely maneran-tany izany fanjakazakana ara-poto-kevitra izany.

Nohon’ny tanjaka ara-tafika sy ara poto-kevitra no napatanjaka an’I URSS.

c) Ireo firenem-baovao

Nahatonga ireo firenena sasany hatanjaka ara toe-karena ihany koa ny ady. Toa an’i Etazonia, dia maro ireo firenena no nanararaotra ny ady teo amin’ny lafiny ara-barotra sy famatsiana an’I Eoropa. Anisan’ireo i Canada, Australie, Nouvelle Zélande, Argentine…

B – Ireo fototry ny ny fanarenana izao tontolo izao amin’ny laoniny taorian’ny ady

1) Teo amin’ny lafiny ara-politika

Ireo fivoriana nifanarahan’i Etazonia, Fanjakana Britanika ary ny Firaisana Sovietika nanomboka ny taona 1943 no nahatonga ny lamina ara-politika vaovao maneran-tany.

a) Ny fihaonana tany Yalta 4-11 Febroary 1945

Fihaonana faharoa teo amin’ny telo tonta taorian’ny tany Téhéran ny taona 1943.tamin’io fotoana io dia efa akaiky ny faharesen’i Alemaina.

I F.D Roosevent (filoha amerikana) , J.Y Staline (filoha sovietika) ary i W Churchill (praiministra britanika) no mpandray anjara.

Tany Yalta, dia nanapaka ireo mpandresy momba ny :

- Fizarana an’I Alemaina ho fari-pifehezana efatra rehefa resy.

- Fametrahana ny fototra vaovao ara politika sy ara demokratika any Eoropa toy ny fanatanterahana fifidianana malalaka, fametrahana governemanta iraisana.

- Fandaniana ireo sori-dalana lehibe hampijoroana ny firenena mikambana

b) Ny fivoriana tany Potsdam ; 17 Jolay -2 Aogositra1945

Tamin’io fotoana io, dia efa resy I Alemaina, ary mbola tsy resy I Japana.

I H. Truman (filoha amerikana), J.Y Staline (Filoha Sovietika) ary i Attlee (Praiministra britanika) no mpandray anjara.

Ny notapahana tany Potsdam, dia ireo fanatanterahana ireo hevitra tapaka tany Yalta ary ny fanasaziana ireo firenena resy an’ady.

- Nozaraina fari-piadidiana 4 i Alemaina : faritra amerikana, faritra sovietika, faritra britanika ary faritra frantsay.

- Naravina ihany koa ny momba ny fanafoanana ny Nazi tany alemaina, ny fanitsiana ireo sisin-tanin’ireo firenena maro ary ny fandaminana momba ny fanarenana ny simba tamin’ny ady.

c) Ireo fanovana sisin-tany

- Tany Eoropa, dia maro no voakasik’izany. Nahena ny velaran-tany alemana ary napitomboina ny an’i Pologne, I URSS kosa dia nihitatra niankan-drefanna ar nahazo ireo tany very taminy tamin’ny taona 1917.

- Tany Asia dia nofoanana tamin’i Japana avokoa ireo taniny tany amin’ny kaontinanta aziatika, nahaleo tena i Korea…

2) Teo amin’ny lafiny ara toe-karena

· Ny fifanarahana tany breton Woods ny taona 1944 dia natao hametrahana lamina ara-bola vaovao (SMI). Mba hampifandanjana ny vola, dia noraiketina ho vola iraisam-pirenena ny dollar amerikana izay hany vola azo natakalo volamena.

· Natsangana ny FMI (tahiry iraisam-pirenena) mba hiaro ny fifandanjana ara-bola sy hanampiana ireo firenena tra-pasahiranana ara-bola..

· Natsangana ny BIRD( banky iraisam-pirenena ho amin’ny fanarenana) hanampiana ireo firenena potiky ny ady. Taty aoriana dia niova ho BM (banky iraisam-pirenena)

· Napetraka ny fifanarahan’ny GATT mba hampanjaka ny fifanankalozana malalaka maneran-tany.

Famintinana

Ho fehiny, dia ny ady lehibe faharoa, dia ady nahafatesana olona maro, nahapotehan-javatra tsy hita pesipesenina ary nahatonga fahasahiranana lalina teo amin’ny lafiny ara toe-karena sy ara-bola, indindra ho an’ny eoropeanina. Nohon’ny ady anefa, dia lasa firenena matanjaka sy mifehy izao tontolo izao tamin’ny lafiny rehetra ny Amerikana sy ny sovietika.

NY FIRENENA MIKAMBANA[hanova]

Fampidirana

Nanapa-kevitra ireo mpandresy ny hanangana ny ONU taorian’ny tsy fahombiazan’ny SDN izay tsy nahasakana ny ady lehibe faharoa. Io dia fikambanana iraisam-pirenena niorina ny taona 1945, mba hampanjaka ny filaminana eto enivon’izao tontolo izao ary hampiroborobo ny fiaraha-miasa sy fifanampiana.

1) Ireo dingana niforonany[hanova]

  • Satan’i Atlantika (Aogositra 1941) ; nanolo-kevitra sy nandrafitra ny « rafitra malalaka sy maharitra momba ny filaminana »i Roosevelt sy Churchill
  • Ny fanambarana ny firena mikambana : janoary 1942, nanambaran’ireo firenena Allié ny hisian’ny « rafitra ho an’ny fandriam-pahalemana sy filaminana »
  • Ny fivoriana tany Téhéran :Desambra 1943 : Fanamafisana ny finiavana hanangana ny ONU. Nanamafy I Staline, Roosevelt, Churchill ny tokony hisian’ny “fandriampahalemana maharitra sy ankatoavin’ny maro maneran-tany” :
  • Fivoriana tany Dumbraton Oaks (Aogositra sy Oktobra 1944) dia namolavolana ny rafitr’io fikambanana io
  • Fihaonana tany Yalta (Febroary 1945): nankatoavin’ny telo tonta ireo sori-dalana lehibe hitondrana ny fikambanana sy ny filàna azy.
  • Satan’ny firenena mikambana (26 Jona 1945) : niorina tamin’ny fomba ofisialy ny firenena mikambana rehefa nolanian’ireo fanjakana 50 nivory tany ny sata mifehy azy.

2) Ny tanjon’ny firenena mikambana[hanova]

Araka ny rafitra sy ny satan’ny fikambanana dia :

· Fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana maneran-tany

· Fampiroboroboana ny fifandraisana ara-piralahiana eo amin’ny firenen-drehetra ao anatin’ny fanajana ny fitovian-jon’ny vahoaka sy ny fahalalahanay

· Fampanjariana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny famahana ireo olana ara toe-karena, sosialy, kolontsaina ary eo amin’ny maha-olona

· Fampanajana ny zon’olombelona sy ny fahafahana fototra

· Fijoroana ho sehatra hampirindra ny ezaky ny firenen-drehetra ho amin’ny tanjona iombonana

Fanamarihana: ireo rafitra vovonana eo anivon’ny firenena mikambana no miantoka ny fahatratrarana ireo tanjona ireo.

3) Ny foto-kevitry ny firenena mikambana[hanova]

Araka ny sata dia :

  • Fitoviana ara-piandrianana eo amin’ny firenena mpikambana
  • Famahana am-pilaminana ireo fifanolanana sy ady iraisam-pirenena
  • Ny tsy fitsabahana amin’ny raharaha anatin’ny fanjakana iray.

4) Ireo rafitra sy vovonana ao amin’ny firenena mikambana[hanova]

· Ny fivoriam-be: rafitra manapa-kevitra izay mivory ara-potoana indray mandeha isan-taona ary mandinika ireo raharaha voafaritry ny sata.

· Ny sekretera jeneraly: miantoka ny fintantanana sy fampandehanana ny fikambanana. Ny fivoriam-be no mifidy azy hiasa 5 taona.

· Ny filan-kevi-pilaminana: natao hitandrina ny fandriam-pahalemana sy filaminana maneran-tany. 15 no isan’ny mpikambana nanomboka ny taona 1965 ary 5 ireo mpikambana maharitra ao: Etazonia, URSS, Frantsa, Fanjakana Britanika ari I Sina. Manana zo hampiasa ny vato tsy azo ivalozana ireo mpikambana maharitra. Ohatra: fampiasana hery amin’ny alalan’ny ny tafika misatroka manga hamaha olana iray sarotra.

· Ny filan-kevitra fiahiana: ireo mpikambana 5 maharitra ao amin’ny filankevi-pilaminana no mandrafitra azy. Misahana ny fanaraha-maso ireo fitondrana ireo tany mbola tsy mahazaka-tena sy eo ambany fiahian’ny hafa.

· Ny fitsarana iraisam-pirenena: rafitra fitsaranan’ny firenena mikambana. Natao handamina ny fifanolanana sy hitsara ny heloka bevava eo anivon’ny mpikambana.

· Filan-kevitra ara-toe-karena sy sosialy: mandrindra ireo asa ara toe-karena sy sosialy sahanin’ny firenena mikambana izy. Maro ireo rafitra manokana eo ambany fiahiany. 54 no isan’ny mpikambana ao ary fidiana hiasa 3 taona.

Maro ireo fandaharan’asa, vaomiera, filan-vevitra natsangana mba hanatratrarana ny tanjon’ny firenena mikambana eo amin’ny fampanjariana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny famahana ireo olana ara toe-karena, sosialy, kolontsaina ary eo amin’ny maha-olona

- Ny PNUD (fandaharan’asan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana) manatanteraka ireo tetik’ asa mba hampandrosoana ny firenena mahantra.

- UNESCO (sampan-draharaha momba ny fanabeazana sy siansa ary kolo-tsaina) miantoka ny fampandrosoana ny lafiny fampianarana; fivelarana ara-tsiasa sy ara kolo-tsaina.

- FAO (tahiry momba ny fambolena sy sakafo) miantoka ny famahana ny olana ara-tsakafo sy miady amin’ny hanohanana.

- OMS (Sampan-draharaha momba ny fahasalamana), l'UNICEF (tahirin’ny firenena mikambana momba ny ankizy) miantoka ny fahalavorarian’ny sehatra fahasalamana.

- Ny Banky iraisam-pirenena : mandamina ny lafiny ara-bola sy fanbampiana ireo firenena mahantra eo amin’ny lafiny ara-bola.

5) Ny tombam-bokatry ny firenena mikambana[hanova]

Ny hampandry fahalemana, ny hampandroso ny lafiny ara-tsosialy sy ara toe-karena ary ny maha-olona no tena iompanan’ny firenena mikambana.

a) Ireo hetsika momba ny fitandroana ny filaminana sy fiarovana

Ara-tafika na rara-pifanarahana ny fizotrany.

Saika nahitana fahombiazana maro ny hetsiky ny firenena mikambana, satria nahavita namaha olana maro izy.

- Teo amin’ny fisorohana ny disadisa sy fandaminana ireo ady, dia nitombo hatrany ireo hetsika mba hampanjakana ny filaminana. Nahitana fahombiazana ny firotsahan’ny tafika misatroka manga an-tsehatra. Ohatra ny fampitsaharana ny adin’i Iran sy i Irak ny taona 1988, ny ady tany amin’ny « golfe persique » ny taona 1991, ny fampitsaharana ny ady an-trano tany Mozambika ny taona 1992-1994 ary ny tany Somalie 1992-1995…

- Nahavita asa fanelanelanana maro ihany koa ny firenena mikambana. Singanina amin’izany ny filefahana teo amin’I Etazonia sy ny firaisana Soviétika ny taona 1985-1989, ny fampifanantonana sy fampihavanana ireo mpifanandrina toy ny tany congo ny taona 1997…

Betsaka ihany koa ireo tsy fahombiazan’ny firenena mikambana teo anivon’io sehatra io :

- Tsy nilamina mihintsy izao tontolo izao hatramin’ny nisian’ny ONU. Nandritra ny Ady Mangatsiaka, dia tsy nahavita ny asany mihintsy izy satria ny ngeza roa tonta no nifehy sy nanakorontana izao tontolo izao. Ankehitriny, dia misy ireo ady maro samihafa maneran-tany sy ireo hetsika manohintohina ny filaminana toy ny : ady an-trano aty afrika, ny firongatry ny asa fampihorohorona…

- Tsy dia voahaja ary indraindray aza dia mahatonga fifanolanana ireo fanelanelanana, famahan’olana ary nireo soso-kevitry ny ONU. Ohatra amin’izany, ny fizarana an’i Palestine ny taona 1949 dia niteraka day tsisy farany, nanamafy ny adin’ny Jiosy sy ny arabo ny famahana olana 262 tamin’ny taona 1967, nandrava an’i Angola ny firontsahana an-tsehatra tany ny taona 1989-1997…

- Nohon’ny fananana ny zo handà izay ananan’ny firenen-dehibe, dia tsy afaka manatanteraka ny asany ny ONU raha tsy mahazo alalana avy amin’izy ireo.

- Tsy vitan’ny firenena mikambana ny manafoana ny fitaovam-piadiana sy ny fihazakazahana amin’izany toy ny fanamboarana fitaovam-piadiana atomika.

Ny tena fototry ny olana dia ny tsy firindran’ny fiasan’ny fikambanana ary ny olana ara-bola sy ara-politika.

b) Ny asan’ny ONU teo amin’ny fanafoanana ny fanjanahan-tany sy ny fanampiana ny andian-tany fahatelo.

Nanafaingana ny fahazoan’ireo tany voazanaka sy teo ambany fifehezan’ny eoropeanina fahaleovan-tena ny ONU

- Nitana anjara asa voalohany izy tamin’ny fanafoanana ny fanjanahan-tany tamin’ny fanambaran’ny Fivoriam-be ny zon’ireo tany voazanaka hanana ny fizakan-tenany ny 16 Desambra 1956.

- Ny 14 Desambra 1960, dia lasa sehatra fanamelohana ny fanjanahan-tany ny ONU satria nanome rariny ireo hetsika ho amin’ny fahafahana teo anivon’ny tany voazanaka.

c) Ireo hetsika teo amin’ny lafiny ara-toe-karena sy ara-tsosialy

Ny vaomiera ara-tsosialy sy ara toe-karena dia misahana ny fanampiana ireo firenena mahantra sy ny famahana ireo olana iraisam-pirenena.

Maro ireo hetsika nahatsapana fahombiazana

Nahavita namaha olana maro ny ON U : fampihenana ny isan’ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra (UNESCO), famahana ny olana ara-tsakafo nanerana ny firenena maro (FAO), fampidirana olona maro ho eo amin’ny sehatry ny asa (OIT), fahazoan’ireo firenena maro fampandrosoana ara-toe-karena (PNUD)… ary ankoatra izay dia fahavitana nametraka ny fanajana ny zon’olombelona…

Mibaribary ireo tsy fahombiazana teo amin’ny lara-toe-karena sy sosialy ;

Ny mbola fisian’ireo olana iraisam-pirenena maro no porofo fa tsy nahatanteraka ny tanjony ireo fikambanana maro eo anivon’ny ONU. : ny fisian’ny hanohanana, ny mbola fanjakan’ny tsy fahalalan’ny olona maro, ny tsy fananan’asa ary indrindra ny mbola fisian’ireo valan’aretina mandripaka maro toy ny SIDA, tazo, kolera… ankoatra izay dia tsapa ihany koa fa tsy voahaja ny fampanjariana ny zon’olombelona noho ireo mbola fisian’ny fanavankavahana maro…

Famaranana :

Ho fehiny, nanavita asa maro ny firenena mikambana hatramin’izay nisiany. Tsy voafetra ho teo amin’ny lafiny fitandroana ny filaminana sy fiarovana maneran-tany ihany ny andraikiny fa teo amin’ny lafiny fampandrosoana ny lafiny ara toe-karena sy sosialy ihany koa ; izay nikendry indrindra ny hampiray izao tontolo izao ho ao anaty tontolo lafatra sy mirindra. Na izany aza anefa, dia maro ireo tranga nahitana taratra ny tsy fahombiazany nohon’ny antony maro.

NY FIFORONAN’NY VONDRON-TANY SY NY FIVOARAN’NY ADY MANGATSIAKA[hanova]

Fampidirana

Rava ny firaisan-kina lehibe taorian’ny ady lehibe faharoa. Niharatsy ny fifandraisana teo amin’I Etazonia sy ny Firaisana Sovietika (URSS) ka nahatonga fifanandrinana nampidi-doza teo anivon’ny ngeza roa tonta sy ireo vondrona roa mpirafy.

Famaritana: Ny ady mangatsiaka dia ady an-kolaka, tsy nisy fifanandrinana mivantana teo anivon’ny ngeza roa tonta.

Maro ny endrika nisehoan’izany: Ny fifandonana ideolojika (ara-poto-kevitra) ; Ny fihazakazahana maka firenena namana mpiara-dia, ny fihazakazahana amin’ny fanefena fitaovam-piadiana ary ireo kirizy izay nanohintohina ny filaminana maneran-tany.

==== I- Ireo antony nahatonga ny ady mangatsiaka

1) Ireo fifampiahiahiana teo anivon’ny ngeza roa tonta

Naharava tsikelikely ny firaisan-kinan’ny roa tonta ny fifampiahiahiana teo anivon’izy ireo.

Ireo anton’ny fanahian’ny amerikana sy ny mpiaraup-dia aminy ny sovietika

- Ny fihanaky ny kaominisma tany Eoropa izay natosiky ny sovietika

Ireo anton’ny nahatonga ny fiahiahian’ny sovietika

- Ny fananan’i Etazonia fitaovam-piadiana atomika

- Ny fandraisana andraikitry ny amerikana teto anivon’izao tontolo izao: fanampiana ny eoropeana…

Ny tsy fitoviam-poto-kevitra no tena antony lehibe nahatonga ny fisarahana

2) Ny faharavan’ny fihavanana ny taona 1947.

Vaky ny tsy fifankazahoana tanteraka rehefa nampihatra paik’ady handemena ny kaominisma ny amerikana.

a) Ny tsangan-kevitr’i Truman : 12 Mars 1947

Nampiasain’ny amerikana ny tanjaka ara-toe-karena sy ara-bola ary ara-tafika hanakanana ny fipariahan’ny kaominisma.

Ny filoha amerikana: Harry TRUMAN dia nanolotra fanampiana ara-bola sy ara-tafika ho an’ireo firenena izay te hanohitra ny kaominisma. Io no politika mikendry ny fanakanana ny kaominisma.

Ny drafitra Marshall : 5 Juin 1947, izay naroson’ny sekreteram-panjakana amerikana, ny jeneraly MARSHALL dia fampiharana ny tsangan-kevitr’i TRUMAN tany Eoropa, amin’ny fampanantenana ny firenena eoropeana ny fanampiana amerikana.

b) Ireo fihetsika nasetrin ‘ny sovietika ny drafitra Marshall

Nanamarika ny fisaraham-bazana tanteraka teo anivon’ny roa tonta ny fampiharan’ny sovietika ny tsanga-kevitr’I Jdanov: “mizara ho vondrona roa mpirafy izao tontolo izao”. Nolavin’ny sovietika ny fanampiana amerikana ary notaominy ireo firenena kaominista handà toa azy ihany koa. Mba hanamafisana orina sy hampielezana ny kaominisma, dia natsangana ny KOMINFORM (birao ivondronan’ny firenena kaominista).

II- Ireo vondrona roa mpirafy[hanova]

Nanomboka ny taona 1947, dia nizara ho vondrona roa mpirafy izao tontolo izao. Andaniny ny vondrona Tandrefana na ny vondrona kapitalista izay tarihin’i Etazonia. Ankilany ny vondrona Tatsinanana izay notarihin’i URSS.

VONDRONA TANDREFANA

VONDRONA TATSINANANA

Mpitarika

Etazonia

URSS

Mpikambana

I Etazonia sy ireo mpiara-dia aminy

I URSS sy ireo mpiara-dia aminy

Foto-kevitra

Kapitalista

Kaominista na sosialista

Rafitra ara-politika

Mampiatra ny Demokrasia malalaka izay miorina amin’ny fisian’ireo fahalalahana ara-politika sy ara-tsosialy maro.

Mampiatra ny demokrasia entim-bahoaka izay mifototra amin’ny fanjakazakan’ny antoko tokana sy ny jadona.

Rafitra ara toe-karena

Mampiatra ny fahalalahana ara-toe-karena.

Mampiatra ny toe-karena anjakan’ny teti-pivoarana.

Fikambanana ara-toe-karena

O.E.C.E (1948), C.E.C.A (1951), C.E.E (1957), F.M.I, G.A.T.T

le CAEM ou COMECON,.

Fikambanana ara-tafika

OTAN : 1949, l’ANZUS :1951, OTASE : 1954, le dinan’i Baghdad (1955)… Ireo mpikambana dia nifanaraka fa hifanampy raha toa ka misy ny fanafihan’ny kaominista.

Ny dinan’i Varsovie : 1955 no fikambanan’ny vondrona.

III- Ny fifanandrinan’ny vondrona[hanova]

A- Ny vanim-potoanan’ny fifandonana mahery vaika : 1947 – 1953

1) Ny ady mangatsiaka tany Eoropa

a) Ny olana tany Prague : Février 1948.

Nizarazara nanoloana ny drafitra Marshall ireo mpitondra tany Tchécoslovaquie. Ny filoha Benes dia nankasitraka ny fanampiana amerikana na ny drafitra Marshall, nefa ny sovietika nanohitra izany. Ny volana Febroary 1948, dia niditra an-tsehatra tany Prague ny tafika sovietika nanongana ny filoha Benes, ary nametraka mpitondra mpanara-dia ny sovietika.

b) Ny kirizy voalohany tany Berlin : 1948 - 1949

Ny taona 1948, dia nanapa-kevitra ny tandrefana ny hanambatra ho iray ireo fari-piadidiany telo tany Alemaina ho firenena iray. Naneho hetsika tsy fankasitrahana izany ny sovietika tamin’ny alalan’ny fanaovana fairano tanteraka an’i Berlin Andrefana. Nanoloana izany, dia nametraka « tetezana an’habakabaka » ny amerikana mba tsy hampitoka-monina an’i Berlin Andrefana. Nofoanan’i Staline ny fairano ny volana mai 1948, rehefa tsy nahomby. Taorian’izany anefa, dia nizara roa tanteraka i Alemaina ny taona 1949 ; I RFA, izay Alemaina Tandrefana, ary I RDA izay Alemaina Tatsinanana.

2) Ny ady mangatsiaka tany Azia

a) Ny ady an-trano tany Chine : 1949

Io dia ady nifanandrinan’ny kaominista notarihin’ i Mao Tse Toung sy ny kapitalista notarihin’i Tchang Kaichek. Taorian’ny fandresen’ny kaominista, dia najoro ny repoblika antim-bahoakan’i Chine ny 1 Oktobra 1949. Taorian’io, dia nanamafy orina ny fifandraisana tamin’ny firaisana sovietika ny Sinoa.

b) Ny adin’i Korea : 1950 - 1953

Taorian’ny ady lehibe faharoa, dia nozaraina ho firenena roa i Korea teo amin’ny faritry ny « 38é parallèle Nord ». Ny tavaratra kaominista, ary ny tatsimo kapitalista.

Ny 25 Juin 1950, dia notafihan’i Koreana tavaratra ny tatsimo. Teo anatrehan’izany dia nanapa-kevitra ny amerikana ny hanampy an’i Korea Atsimo tamin’ny fandefana tafika amerikana nitondra ny anaran’ny tafiky ny firenena mikambana. Ny koreana tavaratra kosa tetsy andaniny, dia nampian’ny sovietika sy ny sinoa tosika. Naharitra telo taona ny fifandonana mahery vaika.

Taorian’ny nahafatesan’I Staline, ny filavoana lefona nataon’ny roa tonta tao Pan Mun Jon ny 22 Juillet 1953, dia nifarana ny adin’I Korea.

c) Ny adin’i Indochine : 1946 - 1954

Nivadika ho kirizin’ny ady mangatsiaka ny tolom-panafahana nataon’ny vahoaka « indochinois » tamin’ny mpanjanaka frantsay.

         Na dia nahazo fanampiana tamin’ny amerikana aza i Frantsa nanomboka ny taona 1950, dia sahirana mafy nanohitra ny « indochinois » izay notohanan’i Chine sy i URSS. Ny volana Mai 1954, dia resy tanteraka tao Dien Bien Phu ny frantsay rehefa niezaka namehy ny zanatany 8 taona.
          Ny fifanarahana tany Genève ny 20 Juillet 1954 no nanamarika ny fiafaran’ny ady. Nahaleo tena i Indochine, ary lasa nizara ho firenena roa i Vietnam teo anivon’ny «17é parallèle Nord »; Vietnam Avaratra; kaominista, Vietnam Atsimo; kapitalista.

B- Ny fisindan’ny rahon’ady : 1953 - 1962 (ny firosoana mankany amin’ny filefahana)[hanova]

fampidirana :

Ny finiavan’i Etazonia sy ny firaisana sovietika, mpandray anjara fototry ny ady mangatsiaka, ny hametraka fitoniana, nohon’ny fifandanjan-kery no nahatonga ny fisindan’ny rahon’ady na ny « fiaraha-monina tsy misy rahoraho ».

I- Ireo antony nahatonga ny fisindan'ny rahon'ady teo anivon'ny roa tonta[hanova]

1) Ny fiovan’ny mpitondra teo anivon’ny ngeza roa tonta

- Taorian’ny fahafatesan’i Staline ny 05 Mars 1953, dia i Nikita Khrouchtchev indray no mpitondra sovietika. Nampiatra ny fanafoanana ny foto-kevitr’i Staline izy, ary somary nisokatra tamin’ny tandrefana.

- Tany Etazonia, dia nisolo toerana an’i Truman i D W Eisenhower. Na dia, nanohitra ny foto-kevitra kaominista aza izy, dia somary nampiatra diplomasiam-pisokafana tamin’ny Tatsinanana. Nofoanany ihany koa ny Maccarthisme (fampielezan-kevitra ho fanoherana ny kaominisma tany Etazonia)

2) Fampiharana ny « fiaraha-monina tsy misy rahoraho » sy ny « fifandanjan-kery tao anaty horohoro »

- Ny fiaraha-monina tsy misy rahoraho, dia politika nampiharin’ny Khrochtchev nanomboka ny 14 Febroary 1956, taorian’ny kaongresy faha XX ny PCUS. Io dia fametrahana fifandraisana tsy misy rahoraho, mirona amin’ny filaminana teo anivon’ny roa tonta. Noravana ny KOMINFORM.

- Ny fifandanjan-kery tao anaty horohoro kosa, dia natao indrindra, mba hisorohana ny fifamotehana teo anivon’ny roa tonta « overkilling capacity », nohon’ny fananan’ny ngeza roa tonta fitaovam-piadiana nokleray mahery vaika maha-potika; Baomba A, Baomba H … araka izany, dia voaozona hifanaraka ny roa tonta ho tombotsoan’ny zanak’olombelona.

3) Ny fipoiran’ny Andian-tany faha-telo

Taorian’ny fivoriana tany Bandoeng ny taona 1955, dia nametraka ny maha-izy azy, ary nampiaka-peo ny andian-tany faha-telo teto anivon’izao tontolo izao. Nanameloka ny fanjakazakan’ny ngeza roa tonta ireo firenena mpikambana, ary nitaky ny hisian’ny filaminana maneran-tany.

4) Ny fahasahiranan’ny ngeza roa tonta

Nisedra fasahiranana ara-barotra sy ara-bola ny amerikana nohon’ny fifaninana goavana tamin’i Japana sy ny CEE, hany ka nitady lalam-barotra tany amin’ny firenena tatsinanana. Andaniny kosa, dia nahatsapa ny sovietika fa ahafahana manarina ny toe-karena ny fiaraha-miasa amin’ny tandrefana.

II- Ny fisehon’ny « fiaraha-monina tsy misy rahoraho[hanova]

1) Ny fandaminana ireo ady tany Azia

Nifarana ireo adin’I Korea sy I Indochine ny taona 1953 sy 1954 noho ireo fifanarahana maro teo anivon’ny vondrona roa-tonta mba hisian’ny fitsaharan’ireo ady nifandonany. Ny adin’i Indochine ohatra dia niravina nohon’ny fifanarahana tany Genève.

2) Ireo fitsidihana sy fifanarahana teo amin’ny roa tonta.

Nanaporofo ny fifankazahoan’ny roa tonta ireo fifanarahana sy ny fifampitsidihan’ny mpitondra. Niezaka izy ireo ny hanafoana ny fifanenjanana. Nahitana taratra izany ny :

- Fifampiresahan’ny roa tonta

- Ny fitsidihan’ny Khrouchtchev tany Etazonia ny volana septembre 1959 sy tany Frantsa nymars 1960.

- Ny fihaonana te amin’ny Kennedy sy Khrouchtchev tany Vienne ny 3 juin 1961.

3) Famitram-pihavanana maro tany Eoropa

Rehefa nifanaranka I Etazonia, ny firaisana sovietika, I Frantsa ary I Grande Bretagne, dia nalana ireo tafiky ny allié tany Autriche. Nanomboka ny taona 1955, dia nankato an’I RFA I URSS

4) Ny fifaninanana ara-toe-karena sy ara-teknolojia.

Vokatry ny fiara-monina tsy misy rahoraho, dia nanome vahana ny fifaninanana ara-teknolojia sy ara toe-karena ny roa tonta toy ny ny fifaninanana mandefa sambon-danitra.

ohatra : ny taona 1957, nandefa satelita Spoutnik voalohany ny sovietika. Tany amin’ny taona 60 vao nahavita nifaninana ny amerikana.

III- Ny fetran’ny fiaraha-monina tsy misy rahoraho[hanova]

Tsy nahomby ny fifanarahana tsy misy rahoraho satria, na dia nifanaraka aza ny roa tonta, dia nitohy hatrany ireo kirizy iraisam-pirenena.

1) Ny kirizin’ny lakandranon’i Suez : 1956

Ny taona 1956, dia navadik’i Nasser ho fananan’ny fanjakana egyptiana ny lakan-dranon’i Suez rehefa tsy nahazo fanampiana ara-bola izy tamin’ny tetik’asa goavana nokasainy. Izany no nahatonga ny fifandiran’i Egypta tamin’i Frantsa sy i Grande Bretagne : izay tompon’ny lakandrano hatrizay. Teo anatrehan’izany dia saika hanafika an’i Egypta miaraka amin’i Israel izy ireo, saingy tsy tanteraka izany ny volana Desambra 1956 nohon’ny fandrahonana nataon’ny sovietika sy ny faneren’ny amerikana azy ireo hihemotra amin’ny fikasany.

a) Ny kirizy faharoa tany Berlin : 1958 - 1961

Ny taona 1958, dia nokianin’I Khrouchtchev ny fizaran’I Berlin ho roa. Nitaky izy ny hialan’ny tandrefana tao Berlin Andrefana ary nanolo-kevitra ny hanovana an’I Berlin ho Tanana iraisam-pirenena. Nolavin’ny tandrefana izany na nanery an-kolaka azan y sovietika.

Taorian’ny fandavan’ny amerikana ny soso-kevitrin’ny sovietika, dia nanangana ny rindrin’i Berlin ; izay mirefy 113 km ny sovietika ny 12-13 Aout 1961, mba hisorohana ny fifindra-monin’ny mponina teo anivon’ny tanana roa tonta, ary mba hanasarahana tanteraka ny tanàna.

b) Ny kirizin’i Kioba : 1962

Nanomboka ny taona 1959, dia lasa firenena kaominista i kioba rehefa tonga teo amin’ny fitondrana i Fidel Castro rehefa avy nanongana ny mpitondra-jadona; mpanara-dia ny amerikana BATISTA.

Nanoloana ny fandrahonana nataon’ny amerikana nanoloana ny mpitondra kaominista tany Kioba, dia nangataka fanampiana tamin’ny sovietika izy ireo. Araka izany, dia nanangana fitaovana fandefana balafomanga atomika maro tany kioba ny sovietika ny volana Oktobra 1962. Teo anatrehan’io loza mitatao io, dia nanao fahirano ny nosy ny amerikana, mba tsy ahafahan’ny sovietika mampiditra fitaovam-piadiana atomika. Ankoatra izay, dia nitaky i Kennedy ny hanalana ny balafomanga. Nanahy ny mety ho fifanandrinana mivantana, dia nandefitra i Khrouchtchev, ka nanala ny balafomanga ny 26 sy ny 27 oktobra. Ho setriny kosa anefa, dia nangataka izy ny tsy hikitikitian’ny amerikana ny mpitondra tany Kioba sy ny hanalana ireo balafomanga tany Torkia. Ny 28 Oktobra, dia nanaiky i Kennedy ; niravona ny kirizy.

NY FILEFAHANA 1962-1975[hanova]

Fampidirana

Niezaka nisoroka ny fifanandrinana goavana ny ngeza roa tonta taorian’ny kirizin’i Kioba, izay saika niteraka ady Nokleary. Nanatsara ny fifandraisana teo aminy ny ngeza roa tonta ka nametraka ny filefahana.

I- Ireo antonynahatonga ny filefahana[hanova]

1) Fahatsapana ny loza mitatao noho ireo fitaovam-piadiana atomika

Manoloana ny loza mety ho aterak’ireo fitaovam-piadina nokleary ananany (Bombe A, Bombe H, …) raha sendra misy ny fifanandrinana, dia nisoroka ny tsy hahatonga ny fahavoazana tsy azo arenina intsony ny « ngeza roa tonta » ka nampihatra ny fifandanjan-kery. Mety ahatonga fifamotehana azo antoka ho azy ireo mantsy ireo fitaovam-piadiana ananany.

2) Ny fahasahiranan’ny vondrona tsirairay (fivakisan’ny vondrona)

a- Ho an’ny Tandrefana

Notoerin’ny mpiara-dia taminy ny fanjakazakan’ny Etazonia. Niataka taminy, tsy ho eo ambany fifehezany intsony i Frantsa izay notarihin’ i Charles De Gaulle. Nanomboka ny taona 1960, dia, niroso tamin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana atomika izy (Bombe H en 1960, Bombe H en 1968) ary nanatsara ny fifandraisany tamin’ireo firenena tatsinanana. Isan’izany ny fitsidihana tany URSS sy ny fankatoavana an’i Sinan y taona 1964. Ankoatra izay, dia niala tsy ho mpikambana teo anivon’ny OTAN intsony ny frantsay.

b- Ho an’ny vondrona Tatsinanana

Voahozongozona ihany koa ny fanjakazakan’ny sovietika. Anisan’ny tranga nanamarika ny fivakisan’ny vondrona ohatra ny fisaraham-bazana teo amin’i Sina sy i URSS, ny kirizy tany Hongrie ary ny « printemps de Prague ».

Ø Ny kirizy tany Hongrie: fikomiam-bahoaka nohon’ny tsy fankasitrahana ny mpitondra kaominista mpiray tendro amin’ny sovietika. Noravan’ny tafika sovietika io hetsika ion y 23 Novambra – 04 Oktobra 1956.

Ø Ny « Printemps de Prague » 1968 : nanapa-kevitra ny hisitaka tamin’ny sovietika ary nanalalaka ny kaominisma ny mpitondra tany Tchécoslovaquie. Niditra an-tsehatra tany mihintsy ny tafiky ny dinan’ny Varsovie nampadry tany ary namerina an-kery ny firenena hiara-dia indray tamin’ny sovietika.

3) Ny fahazoan’ny hetsika tsy fombana ny Atsy sy aroa laka.

Nanambara ny tsy fiandaniany tamin’ny ny Tandrefana sy Tatsinanana ireo firenena mivondrona tao amin’ny Andian-tany fahatelo taorian’ny fivoriana tany Belgrade ny taona 1961. Tsy nitsaha-nitombo isa izy ireo, ary sahy nampiaka-peo nitaky ny lamina ara-tsoe-karena sy ara-politika vaovao maneran-tany.

4) Fitsinjovana ny tombon-tsoa ara toe-karena

· Mila manafatra fitaovana sy vokatra avy any amin’ireo firenena tandrefana ny sovietika mba ahafahany mampiroborobo ny toe-kareny.

· Ho an’ny tandrefana, dia lalam-barotra vaovao manan-danja ireo firenena Tatsinanana.

II- Ireo zava-nisy marina nampiseho ny filefahana[hanova]

1) Fifanantonana teo amin’i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika

Taorian’ny kirizin’I Kioba, dia nifanantona ny ngeza roa Tonta. Napetraka nanomboka ny Jiona 1963 ny « telephone rouge » mampifandray mivantana ny filoha roa-tonta mba ahafahan’izy ireo miresaka sy misoroka izay mety ho disadisa mety hampifanadrina ny roa-tonta. Ankoatra izay, dia nanamarika ny filefahana ihany koa ny fifampitsidihana teo amin’ny roa tonta : ny fitsidihana nataon’i Nixon taany Moscou ny taona 1972, ny fitsidihana nataon’i Brejnev tany Washington ny taona 1973.

2) Ireo fifanarahana ara-tafika

Maro ireo fanaovan-tsonia fifanarahana samihafa mikasika ny fiadiana nokleary.

· Fifanarahana tany Moscou tamin’ny taona 1963, mandrara ny andrana nokleary any amin’ny atmosfera sy any ambany ranomasina.

· Fifanarahana hisorohana ny fihanaky ny fiadiana Nokleary ny taona 1968 (TNP)

· Fifanarahana SALT 1 ny taona 1972 ho fisorohana ny ady nokleary sy ho famerana ny fampiasana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny balafomanga mahataka-davitra.

3) Ireo fifanarahana ara-politika hamerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana

a) Ny Ost politik:

Politika famitranam-pihavanana nampiharin’ny mpitondra alemana tandrefana, Willy Brandtny taona 1969, namerina indray ny fifandraisana teo amin’I RFA sy ireo firenena tatsinanana: RDA, Pologne…. Nifankato I RFA sy RDA, ary naira niditra teo anivon’ny firenena mikambana ny taona 1973.

b) Ny fifanarahan’i Helsinki :

Narafitra ny volana Aogositra 1975, taorian’ny fihaonana naharitra roa taona 1973-1975 nifanaovan’ny firenena eoropeana telopolo mahery, tandrefana sy tatsinanana niampy an’i Etazonia sy i Canada. Io dia fifanarahana nandinihana ny hampisy filaminana sy fiaraha-miasa tany Eoropa.

c) Fifanantonana teo amin’i Sina entim-bahoaka sy i Etazonia

Ny taona 1971 dia nankatoavin’ny amerikana i Sina. Ho fanamafisana ny fifansraisana, nisy ny fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy nataon’I Nixon tany Pekin ny taona 1972..

4) Ny fiaraha-miasa ara toe-karena teo anivon’ny vondrona roa tonta.

- Niantoka ny famatsiana ara-barotra ireo vokatra ara-pambolena toy ny varimbazaha sy ireo fitaovana indostrialy ho an’ireo firenena Tatsinanana sy i URSS ny amerikana

- Ny fiaraha-miasa ara-teknolojia dia hita taratra tamin’ny fihaonan’ny satelita Apollo – Soyouz ny taona 1975

III- Ireo fetran’ny filefahana[hanova]

Tsy nahomby ny filefahana. Na teo aza ireo fifanarahana, dia toa tsy notanterahana araka ny tokony ho izy izany. Nitohy ny fihazakazahana tamin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana sy ireo kirizy iraisam-pirenena tany afrika, Azia tany “Moyen-Orient” sy tany Amerika Latina.

1) Ny adin’i Vietnam (1964 - 1973)

Io dia ady nifanandrinan’ny Vietnam Avaratra ; firenena kaominista notohanan’i URSS sy i Sina sy ny Vietnam Atsimo, izay nampian’ny amerikana.

Taorian’ny fanafihana nataon’i Vietnam Avaratra ny tatsimo, dia nirotsaka an-tsehatra mivantana ny amerikana nanampy ny Tatsimo hanohitra ny tavaratra. Naharitra 8 taona ny ady. Ny taona 1973, dia nifarana tamin’ny faharesen’ny amerikana io ady io. Na teo aza ny fampiasana fitaovan-piadiana tonga lafatra sy mahery vaika, dia montsana ny amerikana izay namoy ny 8/10 ny miaramila nalefany tany. Taorian’io dia nitambatra ho iray sy teo ambany fifehezan’ny kaominista i Vietnam.

2) Ireo ady nifanaovan’ny arabo sy ny jiosy

a) Ny « guerre de 6 jours » 1967 (Ady faha-telo teo amin’ny jiosy sy Arabo)

Io dia ady nampifanandrina an’i Israël sy ireo firenena arabo ( Egypta, Jordanie ary i Syrie) izay notohanan’i URSS ny volana Jiona 1967. Nanampy ny O.L.P ho fanafahana an’i Palestina izay nozanahan’ny Israeliana nanomboka ny taona 1949 ny arabo tamin’ny fananganana ny « ligue arabe ».

     Ny 05 Jiona 1967, dia notafihin’ny israeliana ireo mpifanandrina aminy mba ho fiarovan-tena. Niafara tamin’ny fandresen’i Israel io ady io ary lasany ny fari-tany vitsivitsin’ireo firenena arabo mpifanandrina  ireo toa an’i Sinaï,  Golan, Cisjordanie.  

Na teo aza ny famahana olana « résolution 242 » nofidian’ny vaomieran’ny fandriam-pahaleman’ny ONU ny volana Novambra 1967, mba handaminana ny ady sy hampihavanana ireo mpifanadrina, dia nogiazan’ny israeliana hatrany ireo tany arabo.

b) Ny adin’i Kippour  : Octobre 1973 (Ady faha-efatra nifanaovan’ny jiosy sy arabo)

Ny taona 1973, dia nanam-pikasana ny filoha Egyptiana Sadate, izay notohanan’i URSS ny hampanaiky an-keriny an’i Israel ny « résolution 242 du Novembre 1967 ».

Ny 06 Octobre 1973, dia notafihan’ny Egyptiana sy ny siriana tampoka i Israel, eny na dia volan’ny ramadan sy fety masin’ny jiosy aza io volana io. Ny 11 Octobre nefa, dia rvoatohitry ny israeliana indray ny arabo. Nifarana tamin’ny faharesen’ny arabo ny ady. Tsy tanteraka ny fikasany.

Famaranana :

Ny filefahana, dia vokatry ny ezaka nataon’ny « ngeza roa –tonta » hitandrona ny filaminana sy ny « fifandanjan-kery tao anaty horohoro ». Ireo fifanarahana maro samihafa sy ireo fifanantonana no zava-misy marina nanamarika izany filefahana izany. Na izany aza, dia tsy tanteraka an-tsakany sy andavany ireo tanjon’ny fifanarahana. Nitohy hatrany ny fihazakazahana amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana sy ireo fifanenjanana.

IZAO TONTOLO IZAO TAO ANATIN’NY KIRIZY : 1975 - 1985[hanova]

Fampidirana: Niharatsy ny fifandraisana iraisam-pirenena nanomboka ny taona 1975. Nitarika ho any amin’ny ady mangatsiaka vaovao ireo kirizy ara-bola sy ireo dona ara-tsolitany.

A- Ny kirizy ara toe-karena[hanova]

Nisy fiantraikany goavana teo anivon’ny toe-karena maneran-tany ny kirizy, izay nanomboka ny taona 1973. Nanamarika ny fiafaran’ny vanim-potoana firoboroboana ara toe-karena izy io. Maro ireo antony nahatoga ny kirizy sy ny endrika nisehoany.

I- Ireo antony nahatonga ny kirizy ara toe-karena

1) Ny fihenan’ny sandan’ny vola dollar nanomboka ny taona 1971

Nihatra teto anivon’izao tontolo izao ny kirizy ara-bola ny 15 aout 1971, rehefa tsy azo natakalo volamena intsony ny vola dollar nohon’ny fihenan’ny sandany vokatry ny ady tany Vietnam sy ny fahamafisan’ny fifaninanana ara-barotra maneran-tany. Nahatonga ny fikorontanan’ny lamina ara-bola maneran-tany ny fampitsaharana ny rafitra ara-bola notapahina tany Breton Woods ny taona 1944 tamin’ny fifanarahana vaovao tany jamaique ny taona 1976.

2) Ireo dona ara-tsolitany (fifohazan’ny tany arabo sy ny fampiasana ny soli-tany ho fitaovam-piadiana)

Nahatonga ny kirizy ara-toe-karena mafy ny fidanganan’ny vidin’ny solitany

a) Ny dona ara-tsolitany voalohany : Oktobra 1973

Nampiasain’ireo firenena arabo ho fitaovam-piadiana ara-politika ny solitany mba hanafaizana ireo firenena tandrefana, mpiara-dia amin’i Israely. Nararaotin’izy ireo ny adin’i Kippour mba hampiakarana ny vidiny. Ny 16 Oktobra 1973, nanapa-kevitra ireo firenena arabo ny hampiakatra ny vidin’ny solitany ho 70% araka ny soso-kevitry ny mpanjakan’i Iran. Nanomboka ny 1 janoary 1974, dia niakatra ho 12 dolara ny vidin’ny baril raha toa ka 3 dolara izany teo aloha.

b) Ny dona ara-tsolitany faharoa 1979 - 1980

Nahatonga ny fidanganan’ny vidin’ny solitany ho avo telo heny ny revolisiona islamika tany Iran ny taona 1978-1979. Raha 13 dolara ny vidin’ny baril ny volana Janoary 1979, dia niakatra ho 32 dolara izany ny faran’ny taona 1980. Rehefa raikitra kosa ny ady teo amin’i Iran sy Irak dia nanapa-kevitra indray ireo firenena mivondrona eo anivon’ny OPEP ny hampiakatra ny vidiny ho 43 dolara nanomboka ny taona 1981.

II- Ireo endrika nisehoan’ny kirizy ara-toe-karena

Nisedra mafy kirizy ara-toe-karena ireo firenena Tandrefana. Nanamarika izany ny fihenan’ny fitombo ara toe-karena sy ireo fahasahiranana maro nateraky ny fidanganan’ny vidin’ny solitany.

1) Ny fihenan’ny fitombo ara toe-karena

Nihena ny firoborobon’ny toe-karena teo anivon’ireo an’ireo firenena tandrefana. Raha toa ka nahatratra 5% isan-taona ny fitombony teo aloha dia zara raha 2,5% nanomboka ny taona 1974.

Nahatonga kirizy ara-toe-karena sy ara-tsosialy maro ny fidanganan’ny vidin’ny solitany

2) Ny kirizy teo anivon’ny orin’asa (kirizy ara-indostria)

Nisedra fahasahiranana goavana maro ireo orinasan’ireo firenena tandrefana, mpampiasa solitany. Ny sasany nisedra fatiantoka miopapana sy boka trosa, ho an’ny hafa dia nikatso ny famokarana. Ny ankamaroany aza dia voatery nandroaka mpiasa maro sy nampitsahatra ny fampiasam-bola ary nikatona.

Ohatra: tany Etazonia, dia nihena no 7 tapitr’isa ny famokarana fiarakodia ny taona 1982 raha toa ka efa nahatratra 13 tapitr’isa izany ny taona 1973.

3) Ny kirizy ara-barotra

Nisedra olana ihany koa ny varotra iraisam-pirenena. Nihena ny tombom-barotra ho an’ireo firenena maro, nisedra fantiantoka. Vokany niha-boka trosa ireo firenena Tandrefana ary nihena ny sandam-bola.

4) Ny kirizy ara-tsosialy

Vokatry ny « stagflation », izay azo adika ho fihenan’ny famokarana sy ny fihenan’ny sandam-bola, dia nahatratra 10% ny fidanganan’ny vidim-piainana. Nisedra fahasahiranana maro ny mponina toy ny fiharatsihan’ny fari-piainana, fahantrana.

5) Ny fitombon’ny tsy fananan’asa

Ny fikatsoan’ny famokarana, ny fikatonan’ireo orin’asa ary ny fitotonganan’ireo sehatr’asa ara-toe-karena maro samihafa, dia nampitombo ny isan’ireo tsy an’asa nanerana ny firenena Tandrefana. Teo anelanelan’ny taona 1980, dia nahatratra 10% tamin’ireo mponina an’asa no tratran’izany.

Ohatra : raha toa ka 250 000 ny isan’ireo tsy an’asa tany Frantsa ny taona 1970, dia nahatratra 700 000 izany ny taona 1974, ary tonga 900 000 ny taona 1975.

Famaranana :

Nahatonga ny kirizy ara-toe-karena maneran-tany ny fikorontanan’ny lamina ara-bola sy ireo dona ara-tsolitany nanomboka ny taona 1973. Ny fihenan’ny fitombo ara toe-karena sy ireo fahasahiranana maro ara toe-karena sy ara-tsosialy no nahitana taratra izany. Tsy ireo firenena Tandrefana ihany anefa no nisedra izany kirizy izany fa ireo firenena mahantra sy ny tontolo kaominista taoriana kely.

B- NY ADY MANARA (ADY MANGATSIAKA FAHAROA) 1975-1985[hanova]

Fampidirana:

Tsy nahasakana velively ny faharavan’ny filefahana nanomboka ny taona 1975, ny finiavan’ny « ngeza roa-tonta » nanatsara ny fifandraisany, hampitony ny fifanenjanana teo anivon’ny vondrona roa nandritry ny vanim-potoana filefahana.

I- Ireo antony naharava ny filefahana (antony nahatonga ny ady manara)

1) Ny kirizy ara-toe-karena

Niterana fahasahiranana goavana teo anivon’ireo firenena Tandrefana ny kirizy ara-toe-karena. Vokatr’izay dia tsy afaka nifaninana tamin’ny Tatsinana teo amin’ny lafiny ara-politika iraisam-pirenena izy ireo nanomboka ny taona 1974.

2) Ny politika sovietika ( fanitarana ny kaominisma)

Nararaotin’i URSS ny fahasahiranan’ny Tandrefana, hanitarana malalaka ny firehin-kevitra kaominista maneran-tany.

- Teo amin’ny lafiny ara-politika; firenena maro taty Afrika toa an’i Ethiopie, Angola, Mozambique, Benin ary i Madagasikara no lasa kaominista ary nifandray akaiky tamin’i URSS sy ireo firenena Tatsinanana. Tany Azia, dia voadidina firenena mpanara-dia ny sovietika maro, toa an’i Inde, Vietnam … i Chine izay nanatsara ny fifandraisany tamin’i Etazonia.Tany Amerika, dia nahazo fanjakana ireo mpioko Sandiniste tany Nicaragua, Salvador, Guatemala rehefa nampian’i URSS ara-bola sy ara-pitaovana.

- Teo amin’ny lafiny ara-tafika; nanamafy ny tafika an-dranomasina ny sovietika, ary niparitaka manerana ny fari-dranomasina maro maneran-tany ny toby miaramila toy ny tany Aden sy Da Nang … Ankoatra izay, dia niverina tamin’ny fihazakazahana tamin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana izy ireo ary nametraka balafomanga nokleary maro toy ny SS20, S4 tany Eoropa Atsinanana, manambana ny tandrefana.

3) Ny valin-kafatra amerikana

Tafaverina teo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ny amerikana ny faran’ny taona 70. Ary nadray fepetra manoloana ny hetsiky ny sovietika.

- Teo amin’ny lafiny ara-politika ; nifanesy ireo hetsika nasetrin’ny amerikana. Ho fanoherana ny firotsahan’ny sovietika an-tsehatra tany Afghanistan, ny taona 1979, dia notapahiny ny fivarotana varim-bazaha tamin’ny sovietika ary nosoparany ny lalao olympique tany Moscou ny taona 1980. Nanao fampielezan-kevitra momba ny fanajana ny zon’olombelona izy ireo tamin’ny fanohanana an’i Sakharov, mpisitaka sovietika « prix nobel de la paix 1975 ». farany, dia nahavita nampihavana an’i Egypte sy i Israel ny filoha amerikana Jimmy Carter tamin’ny fifanarahana tany Camp David ny taona 1978.

- Teo amin’ny lafiny ara-tafika, tsy nanaiky hanasonia ny fifanarahana SALT II ny amerikana ny taona 1979. Nihamafy ny finiavan’ny amerikana hanohitra ny sovietika rehefa tonga teo amin’ny fitondrana i Reagan ny taona 1981. Ho fanamafisana ny tafika, dia nakariny 25% ny teti-bolan’ny fiarovana. Vokatr’izay dia nampihatra ny IDS ny amerikana ny taona 1982, nananganana balafomanga Pershing II tany Eoropa, hanoherana ny SS20-SS-4 sovietika.

4) Ny fahalemen’ny firaisankinan’ny vondrona

Nahatonga fiovan’ny fifandanjan-kery sy endrim-pifandraisana vaovao ny fivakivakisan’ny vondrona.

- Nisedra fahasahiranana maro ny tandrefana. Lasa mpifaninana mivantana eo amin’ny lafiny ara-barotra sy ara-toe-karena amin’i Etazonia i Japana sy ny CEE. Tsy nankasitraka ihany koa ny fisokafana tamin’ny Tatsinanana ny ankamaroan’ny firenena teo anivon’ny vondrona. Ankoatra izay dia, nisy ny adin’ireo firenena samy tandrefana toy ny ady nifanaovan’ny Angleterre sy Argentine noho ny nosy Malouines.

- Teo anivon’ny Tatsinana, dia nisedra olana goavana ihany koa : Ankoatra ny disadisa sy fisaraham-bazana teo amin’ny Sinoa sy ny sovietika, dia nanomboka nanakiana ny rafitra ara-toe-karena kaominista sovietika ireo firenena eoropeana tatsinanana rehefa tratry ny fahasahiranana ara-toe-karena. Farany, dia nihataka tamin’ny PCUS ireo antoko kaominista nijoro tany Eoropa Andrefana topy ny tany France, Italie, Espagne…

II- Ny kirizy iraisam-pirenena nandrity ny ady manara 1975 -1985

Hita maneran-tany ireo fifandonana maro samihafa. Teo ny fiverenan’ny ady efa nisy teo aloha, teo ireo toerana vaovao nihitaran’ny ady.

1- Fiverenan’ireo ady taloha

a) Tany Indochine

- Mbola tsy nahatonga filaminana teo anivon’ny firenena ny fitambaran’i Vietnam ny taona 1976. Niteraka ady an-trano sy nahatonga ny mponina sasany hitsoa-ponenana an-tsokosoko an-dranomasina ny fametrahana ny rafitra kaominista tamin’ny faritra Atsimo.

- Ny taona 1978, dia nanafika an’i Cambodge i Vietnam mba hanonganana ireo mpitondra khmers rouge, notarihin’i Pol Pot ; izay notohanan’i Sina. Ny taona 1979 indray, dia nanafika an’i Vietnam i Sina izay nanohana ny Khmers rouge. Tsy naharitra ny ady fa saingy kosa niteraka fisaraham-bazana teo anivon’i Vietnao sy Sina ankilany, i Sina sy URSS andaniny.

b) Tany Proche-Orient

Tsy namaha ny olana, sy ireo ady teo amin’ny jiosy sy arabo ireo fifanarahana tany Camp David Ny taona 1978.

- Nihatahan’ireo firenena arabo namany i Egypte, ary maty nisy namono i Sadate ny taona 1981.

- Hita hatraiza hatraiza nanerana ny proche-Orient ireo ady an-trano maro samihafa.

- Ny taona 1982, dia nanafika an’i Liban i Israel mba handripahana ny OLP, izay notarihini Yasser Arafat.

2- Ireo faritra vaovao nihitaran’ny ady

a) Tany Azia

- Ny olana tany Afghanistan 1979-1989

Niteraka tsy fifalian’ny ankamaroan’ny mponina sy ireo Moudjahiddins ny fahatongavan’ireo kaominista teo amin’ny fitondrana ny taona 1978. Nikomy tamin’ny mpitondra kaominista izy ireo rehefa notohanan’i Etazonia sy i Pakistan.

Mba handravana ny hetsika fanozongozonana ny fitondrana kaominista, dia niditra an-tsehatra tany Afghanisan ny tafika sovietika mba hampandry tany. Naharitra amam-polon-taonany ny fifandonana teo amin’ny tafika sovietika sy ny Moudjahiddins.

- Ny olana tany Moyen-Orient 1979-1988

Ny taona 1979, dia lasa repoblika islamika i Iran, izay notarihin’i Ayatollah KHOMEINY. Nandray ny amerikana ho fahavalo sy « devoly lehibe » izy ireo ka niady taminy sy ireo mpiara-dia aminy. Ny fanaovana takalon’aina ireo tompon’andraikitra maro tao amin’ny ambasady amerikana tany Teheran, ny famatsiana ara-bola ireo asa fampihorohoroana teo anivon’ireo firenena Tandrefana no endrika nanehoan’ny iraniana ny ady amin’ny tandrefana.

Ny fanohanana an’i Irak tamin’ny ady nifanaovany tamin’i Iran no fihetsika nasetrin’ny amerikana ny iraniana.

b) Tany Amerika Latina

- Tonga teo amin’ny fitondrana ny Sandinistes tany Nicaragua, rehefa notohanan’ny Sovietika sy ny Kiobana. Izany no nahatonga an’i Etazonia hanampy ara-pitaovana ny Contras ; izay miaramila mpioko, mpanohitra ny Sandinistes.

- Tany Chili, dia notohanan’i Etazonia ara-bola sy ara-pitaovana ny fanonganam-panjakana nataon’i jeneraly Pinochet tamin’ny fanonganana ny filoha kaominista Salvador Allende.

c) Tany Afrika

Nanomboka ny taona 1975, dia nikorontana ny kaontinanta Afrikana tamin’ny fotoana izay nahalatsaka azy ireo tao anatin’ny fahantrana lalina. Hita manerana ny kaontinanta ireo ady maro.

- Ny taona 1974, dia niteraka ady an-trano ny fanonganam-panjakana nataon’i Hailé Mariam ; izay notohanan’i URSS.

- Tany Angola, izay nilaozan’ny mpanjanaka portugais ny taona 1975, dia niady mba ahazoana ny fahefana ireo mpitolona MPLA sy UNITA. Tonga teo amin’ny fitondrana ny MPLA, izay notarihin’i Aogostino Neto, rehefa nampian’i Cuba sy URSS. Nanoloana izany, dia niady tamin’ny mpitondra kosa nandrita ny taon amaro ny UNITA ; izay notohanan’i Etazonia sy Afrika Atsimo. Nitovy tamin’izany ihany no nitranga tany Mozambika teo amin’ny FRELIMO ; kaominista sy ny RENAMO ; Kapitalista.

- Ady maro samihafa ihany koa no niseho toy ny adi sisitany teo amin’i Tchad sy Lybie, ny ady an-trano tany Burikina Faso…

Ø

NY FILEFAHANA VAOVAO NANOMBOKA NY TAONA 1985[hanova]

Nanomboka ny taona 1985, dia niroso tamin’ny fitoniana vaovao indray izao tontolo izao taorian’ny fifanenjanana 10 taona nandritry ny ady manara. Ny fahatongavan’I Mikhail GORBATCHEV teo amin’ny fitondrana tany URSS no nahatonga an’io fiovan’ny tantara teo anivon’ny fifandraisana iraisam-pirenena io.

I- Ireo antony nahatonga ny filefahana vaovao[hanova]

1) Ny fahatongavan’I Gorbatchev teo amin’ny fitondrana

Tamin’ny 11 Martsa 1985, dia lasa sekretera jeneralin’ny PCUS I Gorbatchev taorian’ny nahafatesan’I Tcherenko. Olon’ny fanovana, nohavaoziny ny rafitry ny kaominisma sovietika ary nataony laharam-pahamehana ihany koa ny fanomezana aina indray ny fiaraha-miasa sy ny filefahana maharitra amin’ny Tandrefana.

2) Ireo politika anatiny sy ivelany nampiharin’I Gorbatchev

a- Ireo politika anatiny

Nanamora ny filefahana vaovao ny politika anatiny nampiharin’I Gorbatchev. Nataony laharam-pahamehana ny