Tantara kilasy famaranana/Ny Firenena Mikambana
Fampidirana
[hanova]Nanapa-kevitra ireo mpandresy ny hanangana ny ONU taorian’ny tsy fahombiazan’ny SDN izay tsy nahasakana ny ady lehibe faharoa. Io dia fikambanana iraisam-pirenena niorina ny taona 1945, mba hampanjaka ny filaminana eto enivon’izao tontolo izao ary hampiroborobo ny fiaraha-miasa sy fifanampiana.
Ireo dingana niforonany
[hanova]- Satan’i Atlantika (Aogositra 1941) ; nanolo-kevitra sy nandrafitra ny « rafitra malalaka sy maharitra momba ny filaminana »i Roosevelt sy Churchill
- Ny fanambarana ny firena mikambana : janoary 1942, nanambaran’ireo firenena Allié ny hisian’ny « rafitra ho an’ny fandriam-pahalemana sy filaminana »
- Ny fivoriana tany Téhéran :Desambra 1943 : Fanamafisana ny finiavana hanangana ny ONU. Nanamafy I Staline, Roosevelt, Churchill ny tokony hisian’ny “fandriampahalemana maharitra sy ankatoavin’ny maro maneran-tany” :
- Fivoriana tany Dumbraton Oaks (Aogositra sy Oktobra 1944) dia namolavolana ny rafitr’io fikambanana io
- Fihaonana tany Yalta (Febroary 1945): nankatoavin’ny telo tonta ireo sori-dalana lehibe hitondrana ny fikambanana sy ny filàna azy.
- Satan’ny firenena mikambana (26 Jona 1945) : niorina tamin’ny fomba ofisialy ny firenena mikambana rehefa nolanian’ireo fanjakana 50 nivory tany ny sata mifehy azy.
Ny tanjon’ny firenena mikambana
[hanova]Araka ny rafitra sy ny satan’ny fikambanana dia :
· Fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana maneran-tany
· Fampiroboroboana ny fifandraisana ara-piralahiana eo amin’ny firenen-drehetra ao anatin’ny fanajana ny fitovian-jon’ny vahoaka sy ny fahalalahanay
· Fampanjariana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny famahana ireo olana ara toe-karena, sosialy, kolontsaina ary eo amin’ny maha-olona
· Fampanajana ny zon’olombelona sy ny fahafahana fototra
· Fijoroana ho sehatra hampirindra ny ezaky ny firenen-drehetra ho amin’ny tanjona iombonana
Fanamarihana: ireo rafitra vovonana eo anivon’ny firenena mikambana no miantoka ny fahatratrarana ireo tanjona ireo.
Ny foto-kevitry ny firenena mikambana
[hanova]Araka ny sata dia :
- Fitoviana ara-piandrianana eo amin’ny firenena mpikambana
- Famahana am-pilaminana ireo fifanolanana sy ady iraisam-pirenena
- Ny tsy fitsabahana amin’ny raharaha anatin’ny fanjakana iray.
Ireo rafitra sy vovonana ao amin’ny firenena mikambana
[hanova]· Ny fivoriam-be: rafitra manapa-kevitra izay mivory ara-potoana indray mandeha isan-taona ary mandinika ireo raharaha voafaritry ny sata.
· Ny sekretera jeneraly: miantoka ny fintantanana sy fampandehanana ny fikambanana. Ny fivoriam-be no mifidy azy hiasa 5 taona.
· Ny filan-kevi-pilaminana: natao hitandrina ny fandriam-pahalemana sy filaminana maneran-tany. 15 no isan’ny mpikambana nanomboka ny taona 1965 ary 5 ireo mpikambana maharitra ao: Etazonia, URSS, Frantsa, Fanjakana Britanika ari I Sina. Manana zo hampiasa ny vato tsy azo ivalozana ireo mpikambana maharitra. Ohatra: fampiasana hery amin’ny alalan’ny ny tafika misatroka manga hamaha olana iray sarotra.
· Ny filan-kevitra fiahiana: ireo mpikambana 5 maharitra ao amin’ny filankevi-pilaminana no mandrafitra azy. Misahana ny fanaraha-maso ireo fitondrana ireo tany mbola tsy mahazaka-tena sy eo ambany fiahian’ny hafa.
· Ny fitsarana iraisam-pirenena: rafitra fitsaranan’ny firenena mikambana. Natao handamina ny fifanolanana sy hitsara ny heloka bevava eo anivon’ny mpikambana.
· Filan-kevitra ara-toe-karena sy sosialy: mandrindra ireo asa ara toe-karena sy sosialy sahanin’ny firenena mikambana izy. Maro ireo rafitra manokana eo ambany fiahiany. 54 no isan’ny mpikambana ao ary fidiana hiasa 3 taona.
Maro ireo fandaharan’asa, vaomiera, filan-vevitra natsangana mba hanatratrarana ny tanjon’ny firenena mikambana eo amin’ny fampanjariana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny famahana ireo olana ara toe-karena, sosialy, kolontsaina ary eo amin’ny maha-olona
- Ny PNUD (fandaharan’asan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana) manatanteraka ireo tetik’ asa mba hampandrosoana ny firenena mahantra.
- UNESCO (sampan-draharaha momba ny fanabeazana sy siansa ary kolo-tsaina) miantoka ny fampandrosoana ny lafiny fampianarana; fivelarana ara-tsiasa sy ara kolo-tsaina.
- FAO (tahiry momba ny fambolena sy sakafo) miantoka ny famahana ny olana ara-tsakafo sy miady amin’ny hanohanana.
- OMS (Sampan-draharaha momba ny fahasalamana), l'UNICEF (tahirin’ny firenena mikambana momba ny ankizy) miantoka ny fahalavorarian’ny sehatra fahasalamana.
- Ny Banky iraisam-pirenena : mandamina ny lafiny ara-bola sy fanbampiana ireo firenena mahantra eo amin’ny lafiny ara-bola.
Ny tombam-bokatry ny firenena mikambana
[hanova]Ny hampandry fahalemana, ny hampandroso ny lafiny ara-tsosialy sy ara toe-karena ary ny maha-olona no tena iompanan’ny firenena mikambana.
a) Ireo hetsika momba ny fitandroana ny filaminana sy fiarovana
Ara-tafika na rara-pifanarahana ny fizotrany.
Saika nahitana fahombiazana maro ny hetsiky ny firenena mikambana, satria nahavita namaha olana maro izy.
- Teo amin’ny fisorohana ny disadisa sy fandaminana ireo ady, dia nitombo hatrany ireo hetsika mba hampanjakana ny filaminana. Nahitana fahombiazana ny firotsahan’ny tafika misatroka manga an-tsehatra. Ohatra ny fampitsaharana ny adin’i Iran sy i Irak ny taona 1988, ny ady tany amin’ny « golfe persique » ny taona 1991, ny fampitsaharana ny ady an-trano tany Mozambika ny taona 1992-1994 ary ny tany Somalie 1992-1995…
- Nahavita asa fanelanelanana maro ihany koa ny firenena mikambana. Singanina amin’izany ny filefahana teo amin’I Etazonia sy ny firaisana Soviétika ny taona 1985-1989, ny fampifanantonana sy fampihavanana ireo mpifanandrina toy ny tany congo ny taona 1997…
Betsaka ihany koa ireo tsy fahombiazan’ny firenena mikambana teo anivon’io sehatra io :
- Tsy nilamina mihintsy izao tontolo izao hatramin’ny nisian’ny ONU. Nandritra ny Ady Mangatsiaka, dia tsy nahavita ny asany mihintsy izy satria ny ngeza roa tonta no nifehy sy nanakorontana izao tontolo izao. Ankehitriny, dia misy ireo ady maro samihafa maneran-tany sy ireo hetsika manohintohina ny filaminana toy ny : ady an-trano aty afrika, ny firongatry ny asa fampihorohorona…
- Tsy dia voahaja ary indraindray aza dia mahatonga fifanolanana ireo fanelanelanana, famahan’olana ary nireo soso-kevitry ny ONU. Ohatra amin’izany, ny fizarana an’i Palestine ny taona 1949 dia niteraka day tsisy farany, nanamafy ny adin’ny Jiosy sy ny arabo ny famahana olana 262 tamin’ny taona 1967, nandrava an’i Angola ny firontsahana an-tsehatra tany ny taona 1989-1997…
- Nohon’ny fananana ny zo handà izay ananan’ny firenen-dehibe, dia tsy afaka manatanteraka ny asany ny ONU raha tsy mahazo alalana avy amin’izy ireo.
- Tsy vitan’ny firenena mikambana ny manafoana ny fitaovam-piadiana sy ny fihazakazahana amin’izany toy ny fanamboarana fitaovam-piadiana atomika.
Ny tena fototry ny olana dia ny tsy firindran’ny fiasan’ny fikambanana ary ny olana ara-bola sy ara-politika.
b) Ny asan’ny ONU teo amin’ny fanafoanana ny fanjanahan-tany sy ny fanampiana ny andian-tany fahatelo.
Nanafaingana ny fahazoan’ireo tany voazanaka sy teo ambany fifehezan’ny eoropeanina fahaleovan-tena ny ONU
- Nitana anjara asa voalohany izy tamin’ny fanafoanana ny fanjanahan-tany tamin’ny fanambaran’ny Fivoriam-be ny zon’ireo tany voazanaka hanana ny fizakan-tenany ny 16 Desambra 1956.
- Ny 14 Desambra 1960, dia lasa sehatra fanamelohana ny fanjanahan-tany ny ONU satria nanome rariny ireo hetsika ho amin’ny fahafahana teo anivon’ny tany voazanaka.
c) Ireo hetsika teo amin’ny lafiny ara-toe-karena sy ara-tsosialy
Ny vaomiera ara-tsosialy sy ara toe-karena dia misahana ny fanampiana ireo firenena mahantra sy ny famahana ireo olana iraisam-pirenena.
Maro ireo hetsika nahatsapana fahombiazana
Nahavita namaha olana maro ny ON U : fampihenana ny isan’ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra (UNESCO), famahana ny olana ara-tsakafo nanerana ny firenena maro (FAO), fampidirana olona maro ho eo amin’ny sehatry ny asa (OIT), fahazoan’ireo firenena maro fampandrosoana ara-toe-karena (PNUD)… ary ankoatra izay dia fahavitana nametraka ny fanajana ny zon’olombelona…
Mibaribary ireo tsy fahombiazana teo amin’ny lara-toe-karena sy sosialy ;
Ny mbola fisian’ireo olana iraisam-pirenena maro no porofo fa tsy nahatanteraka ny tanjony ireo fikambanana maro eo anivon’ny ONU. : ny fisian’ny hanohanana, ny mbola fanjakan’ny tsy fahalalan’ny olona maro, ny tsy fananan’asa ary indrindra ny mbola fisian’ireo valan’aretina mandripaka maro toy ny SIDA, tazo, kolera… ankoatra izay dia tsapa ihany koa fa tsy voahaja ny fampanjariana ny zon’olombelona noho ireo mbola fisian’ny fanavankavahana maro…
Famaranana :
Ho fehiny, nanavita asa maro ny firenena mikambana hatramin’izay nisiany. Tsy voafetra ho teo amin’ny lafiny fitandroana ny filaminana sy fiarovana maneran-tany ihany ny andraikiny fa teo amin’ny lafiny fampandrosoana ny lafiny ara toe-karena sy sosialy ihany koa ; izay nikendry indrindra ny hampiray izao tontolo izao ho ao anaty tontolo lafatra sy mirindra. Na izany aza anefa, dia maro ireo tranga nahitana taratra ny tsy fahombiazany nohon’ny antony maro.