Tantara kilasy famaranana/Izao tontolo izao tao anatin'ny krizy : 1975-1985
IZAO TONTOLO IZAO TAO ANATIN’NY KIRIZY : 1975 - 1985
[hanova]|} Fampidirana: Niharatsy ny fifandraisana iraisam-pirenena nanomboka ny taona 1975. Nitarika ho any amin’ny ady mangatsiaka vaovao ireo kirizy ara-bola sy ireo dona ara-tsolitany.
A- Ny kirizy ara toe-karena
[hanova]Nisy fiantraikany goavana teo anivon’ny toe-karena maneran-tany ny kirizy, izay nanomboka ny taona 1973. Nanamarika ny fiafaran’ny vanim-potoana firoboroboana ara toe-karena izy io. Maro ireo antony nahatoga ny kirizy sy ny endrika nisehoany.
I- Ireo antony nahatonga ny kirizy ara toe-karena
1) Ny fihenan’ny sandan’ny vola dollar nanomboka ny taona 1971
Nihatra teto anivon’izao tontolo izao ny kirizy ara-bola ny 15 aout 1971, rehefa tsy azo natakalo volamena intsony ny vola dollar nohon’ny fihenan’ny sandany vokatry ny ady tany Vietnam sy ny fahamafisan’ny fifaninanana ara-barotra maneran-tany. Nahatonga ny fikorontanan’ny lamina ara-bola maneran-tany ny fampitsaharana ny rafitra ara-bola notapahina tany Breton Woods ny taona 1944 tamin’ny fifanarahana vaovao tany jamaique ny taona 1976.
2) Ireo dona ara-tsolitany (fifohazan’ny tany arabo sy ny fampiasana ny soli-tany ho fitaovam-piadiana)
Nahatonga ny kirizy ara-toe-karena mafy ny fidanganan’ny vidin’ny solitany
a) Ny dona ara-tsolitany voalohany : Oktobra 1973
Nampiasain’ireo firenena arabo ho fitaovam-piadiana ara-politika ny solitany mba hanafaizana ireo firenena tandrefana, mpiara-dia amin’i Israely. Nararaotin’izy ireo ny adin’i Kippour mba hampiakarana ny vidiny. Ny 16 Oktobra 1973, nanapa-kevitra ireo firenena arabo ny hampiakatra ny vidin’ny solitany ho 70% araka ny soso-kevitry ny mpanjakan’i Iran. Nanomboka ny 1 janoary 1974, dia niakatra ho 12 dolara ny vidin’ny baril raha toa ka 3 dolara izany teo aloha.
b) Ny dona ara-tsolitany faharoa 1979 - 1980
Nahatonga ny fidanganan’ny vidin’ny solitany ho avo telo heny ny revolisiona islamika tany Iran ny taona 1978-1979. Raha 13 dolara ny vidin’ny baril ny volana Janoary 1979, dia niakatra ho 32 dolara izany ny faran’ny taona 1980. Rehefa raikitra kosa ny ady teo amin’i Iran sy Irak dia nanapa-kevitra indray ireo firenena mivondrona eo anivon’ny OPEP ny hampiakatra ny vidiny ho 43 dolara nanomboka ny taona 1981.
II- Ireo endrika nisehoan’ny kirizy ara-toe-karena
Nisedra mafy kirizy ara-toe-karena ireo firenena Tandrefana. Nanamarika izany ny fihenan’ny fitombo ara toe-karena sy ireo fahasahiranana maro nateraky ny fidanganan’ny vidin’ny solitany.
1) Ny fihenan’ny fitombo ara toe-karena
Nihena ny firoborobon’ny toe-karena teo anivon’ireo an’ireo firenena tandrefana. Raha toa ka nahatratra 5% isan-taona ny fitombony teo aloha dia zara raha 2,5% nanomboka ny taona 1974.
Nahatonga kirizy ara-toe-karena sy ara-tsosialy maro ny fidanganan’ny vidin’ny solitany
2) Ny kirizy teo anivon’ny orin’asa (kirizy ara-indostria)
Nisedra fahasahiranana goavana maro ireo orinasan’ireo firenena tandrefana, mpampiasa solitany. Ny sasany nisedra fatiantoka miopapana sy boka trosa, ho an’ny hafa dia nikatso ny famokarana. Ny ankamaroany aza dia voatery nandroaka mpiasa maro sy nampitsahatra ny fampiasam-bola ary nikatona.
Ohatra: tany Etazonia, dia nihena no 7 tapitr’isa ny famokarana fiarakodia ny taona 1982 raha toa ka efa nahatratra 13 tapitr’isa izany ny taona 1973.
3) Ny kirizy ara-barotra
Nisedra olana ihany koa ny varotra iraisam-pirenena. Nihena ny tombom-barotra ho an’ireo firenena maro, nisedra fantiantoka. Vokany niha-boka trosa ireo firenena Tandrefana ary nihena ny sandam-bola.
4) Ny kirizy ara-tsosialy
Vokatry ny « stagflation », izay azo adika ho fihenan’ny famokarana sy ny fihenan’ny sandam-bola, dia nahatratra 10% ny fidanganan’ny vidim-piainana. Nisedra fahasahiranana maro ny mponina toy ny fiharatsihan’ny fari-piainana, fahantrana.
5) Ny fitombon’ny tsy fananan’asa
Ny fikatsoan’ny famokarana, ny fikatonan’ireo orin’asa ary ny fitotonganan’ireo sehatr’asa ara-toe-karena maro samihafa, dia nampitombo ny isan’ireo tsy an’asa nanerana ny firenena Tandrefana. Teo anelanelan’ny taona 1980, dia nahatratra 10% tamin’ireo mponina an’asa no tratran’izany.
Ohatra : raha toa ka 250 000 ny isan’ireo tsy an’asa tany Frantsa ny taona 1970, dia nahatratra 700 000 izany ny taona 1974, ary tonga 900 000 ny taona 1975.
Famaranana :
Nahatonga ny kirizy ara-toe-karena maneran-tany ny fikorontanan’ny lamina ara-bola sy ireo dona ara-tsolitany nanomboka ny taona 1973. Ny fihenan’ny fitombo ara toe-karena sy ireo fahasahiranana maro ara toe-karena sy ara-tsosialy no nahitana taratra izany. Tsy ireo firenena Tandrefana ihany anefa no nisedra izany kirizy izany fa ireo firenena mahantra sy ny tontolo kaominista taoriana kely.
B- NY ADY MANARA (ADY MANGATSIAKA FAHAROA) 1975-1985
[hanova]Fampidirana:
Tsy nahasakana velively ny faharavan’ny filefahana nanomboka ny taona 1975, ny finiavan’ny « ngeza roa-tonta » nanatsara ny fifandraisany, hampitony ny fifanenjanana teo anivon’ny vondrona roa nandritry ny vanim-potoana filefahana.
I- Ireo antony naharava ny filefahana (antony nahatonga ny ady manara)
1) Ny kirizy ara-toe-karena
Niterana fahasahiranana goavana teo anivon’ireo firenena Tandrefana ny kirizy ara-toe-karena. Vokatr’izay dia tsy afaka nifaninana tamin’ny Tatsinana teo amin’ny lafiny ara-politika iraisam-pirenena izy ireo nanomboka ny taona 1974.
2) Ny politika sovietika ( fanitarana ny kaominisma)
Nararaotin’i URSS ny fahasahiranan’ny Tandrefana, hanitarana malalaka ny firehin-kevitra kaominista maneran-tany.
- Teo amin’ny lafiny ara-politika; firenena maro taty Afrika toa an’i Ethiopie, Angola, Mozambique, Benin ary i Madagasikara no lasa kaominista ary nifandray akaiky tamin’i URSS sy ireo firenena Tatsinanana. Tany Azia, dia voadidina firenena mpanara-dia ny sovietika maro, toa an’i Inde, Vietnam … i Chine izay nanatsara ny fifandraisany tamin’i Etazonia.Tany Amerika, dia nahazo fanjakana ireo mpioko Sandiniste tany Nicaragua, Salvador, Guatemala rehefa nampian’i URSS ara-bola sy ara-pitaovana.
- Teo amin’ny lafiny ara-tafika; nanamafy ny tafika an-dranomasina ny sovietika, ary niparitaka manerana ny fari-dranomasina maro maneran-tany ny toby miaramila toy ny tany Aden sy Da Nang … Ankoatra izay, dia niverina tamin’ny fihazakazahana tamin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana izy ireo ary nametraka balafomanga nokleary maro toy ny SS20, S4 tany Eoropa Atsinanana, manambana ny tandrefana.
3) Ny valin-kafatra amerikana
Tafaverina teo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ny amerikana ny faran’ny taona 70. Ary nadray fepetra manoloana ny hetsiky ny sovietika.
- Teo amin’ny lafiny ara-politika ; nifanesy ireo hetsika nasetrin’ny amerikana. Ho fanoherana ny firotsahan’ny sovietika an-tsehatra tany Afghanistan, ny taona 1979, dia notapahiny ny fivarotana varim-bazaha tamin’ny sovietika ary nosoparany ny lalao olympique tany Moscou ny taona 1980. Nanao fampielezan-kevitra momba ny fanajana ny zon’olombelona izy ireo tamin’ny fanohanana an’i Sakharov, mpisitaka sovietika « prix nobel de la paix 1975 ». farany, dia nahavita nampihavana an’i Egypte sy i Israel ny filoha amerikana Jimmy Carter tamin’ny fifanarahana tany Camp David ny taona 1978.
- Teo amin’ny lafiny ara-tafika, tsy nanaiky hanasonia ny fifanarahana SALT II ny amerikana ny taona 1979. Nihamafy ny finiavan’ny amerikana hanohitra ny sovietika rehefa tonga teo amin’ny fitondrana i Reagan ny taona 1981. Ho fanamafisana ny tafika, dia nakariny 25% ny teti-bolan’ny fiarovana. Vokatr’izay dia nampihatra ny IDS ny amerikana ny taona 1982, nananganana balafomanga Pershing II tany Eoropa, hanoherana ny SS20-SS-4 sovietika.
4) Ny fahalemen’ny firaisankinan’ny vondrona
Nahatonga fiovan’ny fifandanjan-kery sy endrim-pifandraisana vaovao ny fivakivakisan’ny vondrona.
- Nisedra fahasahiranana maro ny tandrefana. Lasa mpifaninana mivantana eo amin’ny lafiny ara-barotra sy ara-toe-karena amin’i Etazonia i Japana sy ny CEE. Tsy nankasitraka ihany koa ny fisokafana tamin’ny Tatsinanana ny ankamaroan’ny firenena teo anivon’ny vondrona. Ankoatra izay dia, nisy ny adin’ireo firenena samy tandrefana toy ny ady nifanaovan’ny Angleterre sy Argentine noho ny nosy Malouines.
- Teo anivon’ny Tatsinana, dia nisedra olana goavana ihany koa : Ankoatra ny disadisa sy fisaraham-bazana teo amin’ny Sinoa sy ny sovietika, dia nanomboka nanakiana ny rafitra ara-toe-karena kaominista sovietika ireo firenena eoropeana tatsinanana rehefa tratry ny fahasahiranana ara-toe-karena. Farany, dia nihataka tamin’ny PCUS ireo antoko kaominista nijoro tany Eoropa Andrefana topy ny tany France, Italie, Espagne…
II- Ny kirizy iraisam-pirenena nandrity ny ady manara 1975 -1985
Hita maneran-tany ireo fifandonana maro samihafa. Teo ny fiverenan’ny ady efa nisy teo aloha, teo ireo toerana vaovao nihitaran’ny ady.
1- Fiverenan’ireo ady taloha
a) Tany Indochine
- Mbola tsy nahatonga filaminana teo anivon’ny firenena ny fitambaran’i Vietnam ny taona 1976. Niteraka ady an-trano sy nahatonga ny mponina sasany hitsoa-ponenana an-tsokosoko an-dranomasina ny fametrahana ny rafitra kaominista tamin’ny faritra Atsimo.
- Ny taona 1978, dia nanafika an’i Cambodge i Vietnam mba hanonganana ireo mpitondra khmers rouge, notarihin’i Pol Pot ; izay notohanan’i Sina. Ny taona 1979 indray, dia nanafika an’i Vietnam i Sina izay nanohana ny Khmers rouge. Tsy naharitra ny ady fa saingy kosa niteraka fisaraham-bazana teo anivon’i Vietnao sy Sina ankilany, i Sina sy URSS andaniny.
b) Tany Proche-Orient
Tsy namaha ny olana, sy ireo ady teo amin’ny jiosy sy arabo ireo fifanarahana tany Camp David Ny taona 1978.
- Nihatahan’ireo firenena arabo namany i Egypte, ary maty nisy namono i Sadate ny taona 1981.
- Hita hatraiza hatraiza nanerana ny proche-Orient ireo ady an-trano maro samihafa.
- Ny taona 1982, dia nanafika an’i Liban i Israel mba handripahana ny OLP, izay notarihini Yasser Arafat.
2- Ireo faritra vaovao nihitaran’ny ady
a) Tany Azia
- Ny olana tany Afghanistan 1979-1989
Niteraka tsy fifalian’ny ankamaroan’ny mponina sy ireo Moudjahiddins ny fahatongavan’ireo kaominista teo amin’ny fitondrana ny taona 1978. Nikomy tamin’ny mpitondra kaominista izy ireo rehefa notohanan’i Etazonia sy i Pakistan.
Mba handravana ny hetsika fanozongozonana ny fitondrana kaominista, dia niditra an-tsehatra tany Afghanisan ny tafika sovietika mba hampandry tany. Naharitra amam-polon-taonany ny fifandonana teo amin’ny tafika sovietika sy ny Moudjahiddins.
- Ny olana tany Moyen-Orient 1979-1988
Ny taona 1979, dia lasa repoblika islamika i Iran, izay notarihin’i Ayatollah KHOMEINY. Nandray ny amerikana ho fahavalo sy « devoly lehibe » izy ireo ka niady taminy sy ireo mpiara-dia aminy. Ny fanaovana takalon’aina ireo tompon’andraikitra maro tao amin’ny ambasady amerikana tany Teheran, ny famatsiana ara-bola ireo asa fampihorohoroana teo anivon’ireo firenena Tandrefana no endrika nanehoan’ny iraniana ny ady amin’ny tandrefana.
Ny fanohanana an’i Irak tamin’ny ady nifanaovany tamin’i Iran no fihetsika nasetrin’ny amerikana ny iraniana.
b) Tany Amerika Latina
- Tonga teo amin’ny fitondrana ny Sandinistes tany Nicaragua, rehefa notohanan’ny Sovietika sy ny Kiobana. Izany no nahatonga an’i Etazonia hanampy ara-pitaovana ny Contras ; izay miaramila mpioko, mpanohitra ny Sandinistes.
- Tany Chili, dia notohanan’i Etazonia ara-bola sy ara-pitaovana ny fanonganam-panjakana nataon’i jeneraly Pinochet tamin’ny fanonganana ny filoha kaominista Salvador Allende.
c) Tany Afrika
Nanomboka ny taona 1975, dia nikorontana ny kaontinanta Afrikana tamin’ny fotoana izay nahalatsaka azy ireo tao anatin’ny fahantrana lalina. Hita manerana ny kaontinanta ireo ady maro.
- Ny taona 1974, dia niteraka ady an-trano ny fanonganam-panjakana nataon’i Hailé Mariam ; izay notohanan’i URSS.
- Tany Angola, izay nilaozan’ny mpanjanaka portugais ny taona 1975, dia niady mba ahazoana ny fahefana ireo mpitolona MPLA sy UNITA. Tonga teo amin’ny fitondrana ny MPLA, izay notarihin’i Aogostino Neto, rehefa nampian’i Cuba sy URSS. Nanoloana izany, dia niady tamin’ny mpitondra kosa nandrita ny taon amaro ny UNITA ; izay notohanan’i Etazonia sy Afrika Atsimo. Nitovy tamin’izany ihany no nitranga tany Mozambika teo amin’ny FRELIMO ; kaominista sy ny RENAMO ; Kapitalista.
- Ady maro samihafa ihany koa no niseho toy ny adi sisitany teo amin’i Tchad sy Lybie, ny ady an-trano tany Burikina Faso…
Ø