Tantara kilasy famaranana/Ny fiforonan'ny vondron-tany sy ny Ady Mangatsiaka

Avy amin'i Wikibooks

NY FIFORONAN’NY VONDRON-TANY SY NY FIVOARAN’NY ADY MANGATSIAKA[hanova]

Fampidirana

Rava ny firaisan-kina lehibe taorian’ny ady lehibe faharoa. Niharatsy ny fifandraisana teo amin’I Etazonia sy ny Firaisana Sovietika (URSS) ka nahatonga fifanandrinana nampidi-doza teo anivon’ny ngeza roa tonta sy ireo vondrona roa mpirafy.

Famaritana: Ny ady mangatsiaka dia ady an-kolaka, tsy nisy fifanandrinana mivantana teo anivon’ny ngeza roa tonta.

Maro ny endrika nisehoan’izany: Ny fifandonana ideolojika (ara-poto-kevitra) ; Ny fihazakazahana maka firenena namana mpiara-dia, ny fihazakazahana amin’ny fanefena fitaovam-piadiana ary ireo kirizy izay nanohintohina ny filaminana maneran-tany.

I- Ireo antony nahatonga ny ady mangatsiaka[hanova]

1) Ireo fifampiahiahiana teo anivon’ny ngeza roa tonta

Naharava tsikelikely ny firaisan-kinan’ny roa tonta ny fifampiahiahiana teo anivon’izy ireo.

Ireo anton’ny fanahian’ny amerikana sy ny mpiara-dia aminy ny sovietika

- Ny fihanaky ny kaominisma tany Eoropa izay natosiky ny sovietika

Ireo anton’ny nahatonga ny fiahiahian’ny sovietika

- Ny fananan’i Etazonia fitaovam-piadiana atomika

- Ny fandraisana andraikitry ny amerikana teto anivon’izao tontolo izao: fanampiana ny eoropeana…

Ny tsy fitoviam-poto-kevitra no tena antony lehibe nahatonga ny fisarahana

2) Ny faharavan’ny fihavanana ny taona 1947.

Vaky ny tsy fifankazahoana tanteraka rehefa nampihatra paik’ady handemena ny kaominisma ny amerikana.

a) Ny tsangan-kevitr’i Truman : 12 Mars 1947

Nampiasain’ny amerikana ny tanjaka ara-toe-karena sy ara-bola ary ara-tafika hanakanana ny fipariahan’ny kaominisma.

Ny filoha amerikana: Harry TRUMAN dia nanolotra fanampiana ara-bola sy ara-tafika ho an’ireo firenena izay te hanohitra ny kaominisma. Io no politika mikendry ny fanakanana ny kaominisma.

Ny drafitra Marshall : 5 Juin 1947, izay naroson’ny sekreteram-panjakana amerikana, ny jeneraly MARSHALL dia fampiharana ny tsangan-kevitr’i TRUMAN tany Eoropa, amin’ny fampanantenana ny firenena eoropeana ny fanampiana amerikana.

b) Ireo fihetsika nasetrin ‘ny sovietika ny drafitra Marshall

Nanamarika ny fisaraham-bazana tanteraka teo anivon’ny roa tonta ny fampiharan’ny sovietika ny tsanga-kevitr’I Jdanov: “mizara ho vondrona roa mpirafy izao tontolo izao”. Nolavin’ny sovietika ny fanampiana amerikana ary notaominy ireo firenena kaominista handà toa azy ihany koa. Mba hanamafisana orina sy hampielezana ny kaominisma, dia natsangana ny KOMINFORM (birao ivondronan’ny firenena kaominista).

II- Ireo vondrona roa mpirafy[hanova]

Nanomboka ny taona 1947, dia nizara ho vondrona roa mpirafy izao tontolo izao. Andaniny ny vondrona Tandrefana na ny vondrona kapitalista izay tarihin’i Etazonia. Ankilany ny vondrona Tatsinanana izay notarihin’i URSS.

VONDRONA TANDREFANA

VONDRONA TATSINANANA

Mpitarika

Etazonia

URSS

Mpikambana

I Etazonia sy ireo mpiara-dia aminy

I URSS sy ireo mpiara-dia aminy

Foto-kevitra

Kapitalista

Kaominista na sosialista

Rafitra ara-politika

Mampiatra ny Demokrasia malalaka izay miorina amin’ny fisian’ireo fahalalahana ara-politika sy ara-tsosialy maro.

Mampiatra ny demokrasia entim-bahoaka izay mifototra amin’ny fanjakazakan’ny antoko tokana sy ny jadona.

Rafitra ara toe-karena

Mampiatra ny fahalalahana ara-toe-karena.

Mampiatra ny toe-karena anjakan’ny teti-pivoarana.

Fikambanana ara-toe-karena

O.E.C.E (1948), C.E.C.A (1951), C.E.E (1957), F.M.I, G.A.T.T

le CAEM ou COMECON,.

Fikambanana ara-tafika

OTAN : 1949, l’ANZUS :1951, OTASE : 1954, le dinan’i Baghdad (1955)… Ireo mpikambana dia nifanaraka fa hifanampy raha toa ka misy ny fanafihan’ny kaominista.

Ny dinan’i Varsovie : 1955 no fikambanan’ny vondrona.

III- Ny fifanandrinan’ny vondrona[hanova]

A- Ny vanim-potoanan’ny fifandonana mahery vaika : 1947 – 1953

1) Ny ady mangatsiaka tany Eoropa

a) Ny olana tany Prague : Février 1948.

Nizarazara nanoloana ny drafitra Marshall ireo mpitondra tany Tchécoslovaquie. Ny filoha Benes dia nankasitraka ny fanampiana amerikana na ny drafitra Marshall, nefa ny sovietika nanohitra izany. Ny volana Febroary 1948, dia niditra an-tsehatra tany Prague ny tafika sovietika nanongana ny filoha Benes, ary nametraka mpitondra mpanara-dia ny sovietika.

b) Ny kirizy voalohany tany Berlin : 1948 - 1949

Ny taona 1948, dia nanapa-kevitra ny tandrefana ny hanambatra ho iray ireo fari-piadidiany telo tany Alemaina ho firenena iray. Naneho hetsika tsy fankasitrahana izany ny sovietika tamin’ny alalan’ny fanaovana fairano tanteraka an’i Berlin Andrefana. Nanoloana izany, dia nametraka « tetezana an’habakabaka » ny amerikana mba tsy hampitoka-monina an’i Berlin Andrefana. Nofoanan’i Staline ny fairano ny volana mai 1948, rehefa tsy nahomby. Taorian’izany anefa, dia nizara roa tanteraka i Alemaina ny taona 1949 ; I RFA, izay Alemaina Tandrefana, ary I RDA izay Alemaina Tatsinanana.

2) Ny ady mangatsiaka tany Azia

a) Ny ady an-trano tany Chine : 1949

Io dia ady nifanandrinan’ny kaominista notarihin’ i Mao Tse Toung sy ny kapitalista notarihin’i Tchang Kaichek. Taorian’ny fandresen’ny kaominista, dia najoro ny repoblika antim-bahoakan’i Chine ny 1 Oktobra 1949. Taorian’io, dia nanamafy orina ny fifandraisana tamin’ny firaisana sovietika ny Sinoa.

b) Ny adin’i Korea : 1950 - 1953

Taorian’ny ady lehibe faharoa, dia nozaraina ho firenena roa i Korea teo amin’ny faritry ny « 38é parallèle Nord ». Ny tavaratra kaominista, ary ny tatsimo kapitalista.

Ny 25 Juin 1950, dia notafihan’i Koreana tavaratra ny tatsimo. Teo anatrehan’izany dia nanapa-kevitra ny amerikana ny hanampy an’i Korea Atsimo tamin’ny fandefana tafika amerikana nitondra ny anaran’ny tafiky ny firenena mikambana. Ny koreana tavaratra kosa tetsy andaniny, dia nampian’ny sovietika sy ny sinoa tosika. Naharitra telo taona ny fifandonana mahery vaika.

Taorian’ny nahafatesan’I Staline, ny filavoana lefona nataon’ny roa tonta tao Pan Mun Jon ny 22 Juillet 1953, dia nifarana ny adin’I Korea.

c) Ny adin’i Indochine : 1946 - 1954

Nivadika ho kirizin’ny ady mangatsiaka ny tolom-panafahana nataon’ny vahoaka « indochinois » tamin’ny mpanjanaka frantsay.

         Na dia nahazo fanampiana tamin’ny amerikana aza i Frantsa nanomboka ny taona 1950, dia sahirana mafy nanohitra ny « indochinois » izay notohanan’i Chine sy i URSS. Ny volana Mai 1954, dia resy tanteraka tao Dien Bien Phu ny frantsay rehefa niezaka namehy ny zanatany 8 taona.
          Ny fifanarahana tany Genève ny 20 Juillet 1954 no nanamarika ny fiafaran’ny ady. Nahaleo tena i Indochine, ary lasa nizara ho firenena roa i Vietnam teo anivon’ny «17é parallèle Nord »; Vietnam Avaratra; kaominista, Vietnam Atsimo; kapitalista.           

B- Ny fisindan’ny rahon’ady : 1953 - 1962 (ny firosoana mankany amin’ny filefahana)[hanova]

fampidirana :

Ny finiavan’i Etazonia sy ny firaisana sovietika, mpandray anjara fototry ny ady mangatsiaka, ny hametraka fitoniana, nohon’ny fifandanjan-kery no nahatonga ny fisindan’ny rahon’ady na ny « fiaraha-monina tsy misy rahoraho ».

I- Ireo antony nahatonga ny fisindan'ny rahon'ady teo anivon'ny roa tonta[hanova]

1) Ny fiovan’ny mpitondra teo anivon’ny ngeza roa tonta

- Taorian’ny fahafatesan’i Staline ny 05 Mars 1953, dia i Nikita Khrouchtchev indray no mpitondra sovietika. Nampiatra ny fanafoanana ny foto-kevitr’i Staline izy, ary somary nisokatra tamin’ny tandrefana.

- Tany Etazonia, dia nisolo toerana an’i Truman i D W Eisenhower. Na dia, nanohitra ny foto-kevitra kaominista aza izy, dia somary nampiatra diplomasiam-pisokafana tamin’ny Tatsinanana. Nofoanany ihany koa ny Maccarthisme (fampielezan-kevitra ho fanoherana ny kaominisma tany Etazonia)

2) Fampiharana ny « fiaraha-monina tsy misy rahoraho » sy ny « fifandanjan-kery tao anaty horohoro »

- Ny fiaraha-monina tsy misy rahoraho, dia politika nampiharin’ny Khrochtchev nanomboka ny 14 Febroary 1956, taorian’ny kaongresy faha XX ny PCUS. Io dia fametrahana fifandraisana tsy misy rahoraho, mirona amin’ny filaminana teo anivon’ny roa tonta. Noravana ny KOMINFORM.

- Ny fifandanjan-kery tao anaty horohoro kosa, dia natao indrindra, mba hisorohana ny fifamotehana teo anivon’ny roa tonta « overkilling capacity », nohon’ny fananan’ny ngeza roa tonta fitaovam-piadiana nokleray mahery vaika maha-potika; Baomba A, Baomba H … araka izany, dia voaozona hifanaraka ny roa tonta ho tombotsoan’ny zanak’olombelona.

3) Ny fipoiran’ny Andian-tany faha-telo

Taorian’ny fivoriana tany Bandoeng ny taona 1955, dia nametraka ny maha-izy azy, ary nampiaka-peo ny andian-tany faha-telo teto anivon’izao tontolo izao. Nanameloka ny fanjakazakan’ny ngeza roa tonta ireo firenena mpikambana, ary nitaky ny hisian’ny filaminana maneran-tany.

4) Ny fahasahiranan’ny ngeza roa tonta

Nisedra fasahiranana ara-barotra sy ara-bola ny amerikana nohon’ny fifaninana goavana tamin’i Japana sy ny CEE, hany ka nitady lalam-barotra tany amin’ny firenena tatsinanana. Andaniny kosa, dia nahatsapa ny sovietika fa ahafahana manarina ny toe-karena ny fiaraha-miasa amin’ny tandrefana.

II- Ny fisehon’ny « fiaraha-monina tsy misy rahoraho[hanova]

1) Ny fandaminana ireo ady tany Azia

Nifarana ireo adin’I Korea sy I Indochine ny taona 1953 sy 1954 noho ireo fifanarahana maro teo anivon’ny vondrona roa-tonta mba hisian’ny fitsaharan’ireo ady nifandonany. Ny adin’i Indochine ohatra dia niravina nohon’ny fifanarahana tany Genève.

2) Ireo fitsidihana sy fifanarahana teo amin’ny roa tonta.

Nanaporofo ny fifankazahoan’ny roa tonta ireo fifanarahana sy ny fifampitsidihan’ny mpitondra. Niezaka izy ireo ny hanafoana ny fifanenjanana. Nahitana taratra izany ny :

- Fifampiresahan’ny roa tonta

- Ny fitsidihan’ny Khrouchtchev tany Etazonia ny volana septembre 1959 sy tany Frantsa nymars 1960.

- Ny fihaonana te amin’ny Kennedy sy Khrouchtchev tany Vienne ny 3 juin 1961.

3) Famitram-pihavanana maro tany Eoropa

Rehefa nifanaranka I Etazonia, ny firaisana sovietika, I Frantsa ary I Grande Bretagne, dia nalana ireo tafiky ny allié tany Autriche. Nanomboka ny taona 1955, dia nankato an’I RFA I URSS

4) Ny fifaninanana ara-toe-karena sy ara-teknolojia.

Vokatry ny fiara-monina tsy misy rahoraho, dia nanome vahana ny fifaninanana ara-teknolojia sy ara toe-karena ny roa tonta toy ny ny fifaninanana mandefa sambon-danitra.

ohatra : ny taona 1957, nandefa satelita Spoutnik voalohany ny sovietika. Tany amin’ny taona 60 vao nahavita nifaninana ny amerikana.

III- Ny fetran’ny fiaraha-monina tsy misy rahoraho[hanova]

Tsy nahomby ny fifanarahana tsy misy rahoraho satria, na dia nifanaraka aza ny roa tonta, dia nitohy hatrany ireo kirizy iraisam-pirenena.

1) Ny kirizin’ny lakandranon’i Suez : 1956

Ny taona 1956, dia navadik’i Nasser ho fananan’ny fanjakana egyptiana ny lakan-dranon’i Suez rehefa tsy nahazo fanampiana ara-bola izy tamin’ny tetik’asa goavana nokasainy. Izany no nahatonga ny fifandiran’i Egypta tamin’i Frantsa sy i Grande Bretagne : izay tompon’ny lakandrano hatrizay. Teo anatrehan’izany dia saika hanafika an’i Egypta miaraka amin’i Israel izy ireo, saingy tsy tanteraka izany ny volana Desambra 1956 nohon’ny fandrahonana nataon’ny sovietika sy ny faneren’ny amerikana azy ireo hihemotra amin’ny fikasany.

a) Ny kirizy faharoa tany Berlin : 1958 - 1961

Ny taona 1958, dia nokianin’I Khrouchtchev ny fizaran’I Berlin ho roa. Nitaky izy ny hialan’ny tandrefana tao Berlin Andrefana ary nanolo-kevitra ny hanovana an’I Berlin ho Tanana iraisam-pirenena. Nolavin’ny tandrefana izany na nanery an-kolaka azan y sovietika.

Taorian’ny fandavan’ny amerikana ny soso-kevitrin’ny sovietika, dia nanangana ny rindrin’i Berlin ; izay mirefy 113 km ny sovietika ny 12-13 Aout 1961, mba hisorohana ny fifindra-monin’ny mponina teo anivon’ny tanana roa tonta, ary mba hanasarahana tanteraka ny tanàna.

b) Ny kirizin’i Kioba : 1962

Nanomboka ny taona 1959, dia lasa firenena kaominista i kioba rehefa tonga teo amin’ny fitondrana i Fidel Castro rehefa avy nanongana ny mpitondra-jadona; mpanara-dia ny amerikana BATISTA.

Nanoloana ny fandrahonana nataon’ny amerikana nanoloana ny mpitondra kaominista tany Kioba, dia nangataka fanampiana tamin’ny sovietika izy ireo. Araka izany, dia nanangana fitaovana fandefana balafomanga atomika maro tany kioba ny sovietika ny volana Oktobra 1962. Teo anatrehan’io loza mitatao io, dia nanao fahirano ny nosy ny amerikana, mba tsy ahafahan’ny sovietika mampiditra fitaovam-piadiana atomika. Ankoatra izay, dia nitaky i Kennedy ny hanalana ny balafomanga. Nanahy ny mety ho fifanandrinana mivantana, dia nandefitra i Khrouchtchev, ka nanala ny balafomanga ny 26 sy ny 27 oktobra. Ho setriny kosa anefa, dia nangataka izy ny tsy hikitikitian’ny amerikana ny mpitondra tany Kioba sy ny hanalana ireo balafomanga tany Torkia. Ny 28 Oktobra, dia nanaiky i Kennedy ; niravona ny kirizy.