Tantara kilasy famaranana/Ny filefahana (1962-1975)

Avy amin'i Wikibooks

NY FILEFAHANA 1962-1975[hanova]

Fampidirana

Niezaka nisoroka ny fifanandrinana goavana ny ngeza roa tonta taorian’ny kirizin’i Kioba, izay saika niteraka ady Nokleary. Nanatsara ny fifandraisana teo aminy ny ngeza roa tonta ka nametraka ny filefahana.

I- Ireo antonynahatonga ny filefahana[hanova]

1) Fahatsapana ny loza mitatao noho ireo fitaovam-piadiana atomika

Manoloana ny loza mety ho aterak’ireo fitaovam-piadina nokleary ananany (Bombe A, Bombe H, …) raha sendra misy ny fifanandrinana, dia nisoroka ny tsy hahatonga ny fahavoazana tsy azo arenina intsony ny « ngeza roa tonta » ka nampihatra ny fifandanjan-kery. Mety ahatonga fifamotehana azo antoka ho azy ireo mantsy ireo fitaovam-piadiana ananany.

2) Ny fahasahiranan’ny vondrona tsirairay (fivakisan’ny vondrona)

a- Ho an’ny Tandrefana

Notoerin’ny mpiara-dia taminy ny fanjakazakan’ny Etazonia. Niataka taminy, tsy ho eo ambany fifehezany intsony i Frantsa izay notarihin’ i Charles De Gaulle. Nanomboka ny taona 1960, dia, niroso tamin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana atomika izy (Bombe H en 1960, Bombe H en 1968) ary nanatsara ny fifandraisany tamin’ireo firenena tatsinanana. Isan’izany ny fitsidihana tany URSS sy ny fankatoavana an’i Sinan y taona 1964. Ankoatra izay, dia niala tsy ho mpikambana teo anivon’ny OTAN intsony ny frantsay.

b- Ho an’ny vondrona Tatsinanana

Voahozongozona ihany koa ny fanjakazakan’ny sovietika. Anisan’ny tranga nanamarika ny fivakisan’ny vondrona ohatra ny fisaraham-bazana teo amin’i Sina sy i URSS, ny kirizy tany Hongrie ary ny « printemps de Prague ».

Ø Ny kirizy tany Hongrie: fikomiam-bahoaka nohon’ny tsy fankasitrahana ny mpitondra kaominista mpiray tendro amin’ny sovietika. Noravan’ny tafika sovietika io hetsika ion y 23 Novambra – 04 Oktobra 1956.

Ø Ny « Printemps de Prague » 1968 : nanapa-kevitra ny hisitaka tamin’ny sovietika ary nanalalaka ny kaominisma ny mpitondra tany Tchécoslovaquie. Niditra an-tsehatra tany mihintsy ny tafiky ny dinan’ny Varsovie nampadry tany ary namerina an-kery ny firenena hiara-dia indray tamin’ny sovietika.

3) Ny fahazoan’ny hetsika tsy fombana ny Atsy sy aroa laka.

Nanambara ny tsy fiandaniany tamin’ny ny Tandrefana sy Tatsinanana ireo firenena mivondrona tao amin’ny Andian-tany fahatelo taorian’ny fivoriana tany Belgrade ny taona 1961. Tsy nitsaha-nitombo isa izy ireo, ary sahy nampiaka-peo nitaky ny lamina ara-tsoe-karena sy ara-politika vaovao maneran-tany.

4) Fitsinjovana ny tombon-tsoa ara toe-karena

· Mila manafatra fitaovana sy vokatra avy any amin’ireo firenena tandrefana ny sovietika mba ahafahany mampiroborobo ny toe-kareny.

· Ho an’ny tandrefana, dia lalam-barotra vaovao manan-danja ireo firenena Tatsinanana.

II- Ireo zava-nisy marina nampiseho ny filefahana[hanova]

1) Fifanantonana teo amin’i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika

Taorian’ny kirizin’I Kioba, dia nifanantona ny ngeza roa Tonta. Napetraka nanomboka ny Jiona 1963 ny « telephone rouge » mampifandray mivantana ny filoha roa-tonta mba ahafahan’izy ireo miresaka sy misoroka izay mety ho disadisa mety hampifanadrina ny roa-tonta. Ankoatra izay, dia nanamarika ny filefahana ihany koa ny fifampitsidihana teo amin’ny roa tonta : ny fitsidihana nataon’i Nixon taany Moscou ny taona 1972, ny fitsidihana nataon’i Brejnev tany Washington ny taona 1973.

2) Ireo fifanarahana ara-tafika

Maro ireo fanaovan-tsonia fifanarahana samihafa mikasika ny fiadiana nokleary.

· Fifanarahana tany Moscou tamin’ny taona 1963, mandrara ny andrana nokleary any amin’ny atmosfera sy any ambany ranomasina.

· Fifanarahana hisorohana ny fihanaky ny fiadiana Nokleary ny taona 1968 (TNP)

· Fifanarahana SALT 1 ny taona 1972 ho fisorohana ny ady nokleary sy ho famerana ny fampiasana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny balafomanga mahataka-davitra.

3) Ireo fifanarahana ara-politika hamerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana

a) Ny Ost politik:

Politika famitranam-pihavanana nampiharin’ny mpitondra alemana tandrefana, Willy Brandtny taona 1969, namerina indray ny fifandraisana teo amin’I RFA sy ireo firenena tatsinanana: RDA, Pologne…. Nifankato I RFA sy RDA, ary naira niditra teo anivon’ny firenena mikambana ny taona 1973.

b) Ny fifanarahan’i Helsinki :

Narafitra ny volana Aogositra 1975, taorian’ny fihaonana naharitra roa taona 1973-1975 nifanaovan’ny firenena eoropeana telopolo mahery, tandrefana sy tatsinanana niampy an’i Etazonia sy i Canada. Io dia fifanarahana nandinihana ny hampisy filaminana sy fiaraha-miasa tany Eoropa.

c) Fifanantonana teo amin’i Sina entim-bahoaka sy i Etazonia

Ny taona 1971 dia nankatoavin’ny amerikana i Sina. Ho fanamafisana ny fifansraisana, nisy ny fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy nataon’I Nixon tany Pekin ny taona 1972..

4) Ny fiaraha-miasa ara toe-karena teo anivon’ny vondrona roa tonta.

- Niantoka ny famatsiana ara-barotra ireo vokatra ara-pambolena toy ny varimbazaha sy ireo fitaovana indostrialy ho an’ireo firenena Tatsinanana sy i URSS ny amerikana

- Ny fiaraha-miasa ara-teknolojia dia hita taratra tamin’ny fihaonan’ny satelita Apollo – Soyouz ny taona 1975

III- Ireo fetran’ny filefahana[hanova]

Tsy nahomby ny filefahana. Na teo aza ireo fifanarahana, dia toa tsy notanterahana araka ny tokony ho izy izany. Nitohy ny fihazakazahana tamin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana sy ireo kirizy iraisam-pirenena tany afrika, Azia tany “Moyen-Orient” sy tany Amerika Latina.

1) Ny adin’i Vietnam (1964 - 1973)

Io dia ady nifanandrinan’ny Vietnam Avaratra ; firenena kaominista notohanan’i URSS sy i Sina sy ny Vietnam Atsimo, izay nampian’ny amerikana.

Taorian’ny fanafihana nataon’i Vietnam Avaratra ny tatsimo, dia nirotsaka an-tsehatra mivantana ny amerikana nanampy ny Tatsimo hanohitra ny tavaratra. Naharitra 8 taona ny ady. Ny taona 1973, dia nifarana tamin’ny faharesen’ny amerikana io ady io. Na teo aza ny fampiasana fitaovan-piadiana tonga lafatra sy mahery vaika, dia montsana ny amerikana izay namoy ny 8/10 ny miaramila nalefany tany. Taorian’io dia nitambatra ho iray sy teo ambany fifehezan’ny kaominista i Vietnam.

2) Ireo ady nifanaovan’ny arabo sy ny jiosy

a) Ny « guerre de 6 jours » 1967 (Ady faha-telo teo amin’ny jiosy sy Arabo)

Io dia ady nampifanandrina an’i Israël sy ireo firenena arabo ( Egypta, Jordanie ary i Syrie) izay notohanan’i URSS ny volana Jiona 1967. Nanampy ny O.L.P ho fanafahana an’i Palestina izay nozanahan’ny Israeliana nanomboka ny taona 1949 ny arabo tamin’ny fananganana ny « ligue arabe ».

     Ny 05 Jiona 1967, dia notafihin’ny israeliana ireo mpifanandrina aminy mba ho fiarovan-tena. Niafara tamin’ny fandresen’i Israel io ady io ary lasany ny fari-tany vitsivitsin’ireo firenena arabo mpifanandrina  ireo toa an’i Sinaï,  Golan, Cisjordanie.  

Na teo aza ny famahana olana « résolution 242 » nofidian’ny vaomieran’ny fandriam-pahaleman’ny ONU ny volana Novambra 1967, mba handaminana ny ady sy hampihavanana ireo mpifanadrina, dia nogiazan’ny israeliana hatrany ireo tany arabo.

b) Ny adin’i Kippour  : Octobre 1973 (Ady faha-efatra nifanaovan’ny jiosy sy arabo)

Ny taona 1973, dia nanam-pikasana ny filoha Egyptiana Sadate, izay notohanan’i URSS ny hampanaiky an-keriny an’i Israel ny « résolution 242 du Novembre 1967 ».

Ny 06 Octobre 1973, dia notafihan’ny Egyptiana sy ny siriana tampoka i Israel, eny na dia volan’ny ramadan sy fety masin’ny jiosy aza io volana io. Ny 11 Octobre nefa, dia rvoatohitry ny israeliana indray ny arabo. Nifarana tamin’ny faharesen’ny arabo ny ady. Tsy tanteraka ny fikasany.

Famaranana :

Ny filefahana, dia vokatry ny ezaka nataon’ny « ngeza roa –tonta » hitandrona ny filaminana sy ny « fifandanjan-kery tao anaty horohoro ». Ireo fifanarahana maro samihafa sy ireo fifanantonana no zava-misy marina nanamarika izany filefahana izany. Na izany aza, dia tsy tanteraka an-tsakany sy andavany ireo tanjon’ny fifanarahana. Nitohy hatrany ny fihazakazahana amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana sy ireo fifanenjanana.