Tantara kilasy famaranana/Ny filefahana vaovao nanomboka tamin'ny taona 1985

Avy amin'i Wikibooks

NY FILEFAHANA VAOVAO NANOMBOKA NY TAONA 1985[hanova]

|} Nanomboka ny taona 1985, dia niroso tamin’ny fitoniana vaovao indray izao tontolo izao taorian’ny fifanenjanana 10 taona nandritry ny ady manara. Ny fahatongavan’I Mikhail GORBATCHEV teo amin’ny fitondrana tany URSS no nahatonga an’io fiovan’ny tantara teo anivon’ny fifandraisana iraisam-pirenena io.

I- Ireo antony nahatonga ny filefahana vaovao[hanova]

1) Ny fahatongavan’I Gorbatchev teo amin’ny fitondrana

Tamin’ny 11 Martsa 1985, dia lasa sekretera jeneralin’ny PCUS I Gorbatchev taorian’ny nahafatesan’I Tcherenko. Olon’ny fanovana, nohavaoziny ny rafitry ny kaominisma sovietika ary nataony laharam-pahamehana ihany koa ny fanomezana aina indray ny fiaraha-miasa sy ny filefahana maharitra amin’ny Tandrefana.

2) Ireo politika anatiny sy ivelany nampiharin’I Gorbatchev

a- Ireo politika anatiny

Nanamora ny filefahana vaovao ny politika anatiny nampiharin’I Gorbatchev. Nataony laharam-pahamehana ny fampihenana ny fandaniana ara-tafika ary nomeny vahana ireo politika fanovana tany URSS mba hamoahana ny firenena tao anaty kirizy ara-toe-karena sy politika.

- Ny Perestroika: fanavaozan-drafitra ny toe-karena sovietika ho amin’ny fanalalahana ara toe-karena. Io dia fanovana mikendry ny fampiroboroboana ny seha-pamokarana iankinan’ny fampandrosoana mba hanarenana ny toe-karem-pirtenena izay latsaka an-katerena.

- Ny Glasnost: fiovana ara-politika mankany amin’ny mangarahara. Nanamarika io politika io ny fametrahana fanalalahana maro toy ny fanalalahana ny asa fanaovan-gazety, fametrahana ny fifidianana malalaka, ny fanekena ny fanoherana ary ny fanekena ny fisian’ny antoko politika maro.

b- Ireo politika ivelany

Ny politikan’I gorbatchev dia manome lanja ny fisokafana amin’ny tandrefana. Nanome endrika vaovao ny mpitondra sovietika I Gorbatchev satria nanapa-kevitra ny tsy hifaninana amin’ny Tandrefana intsony izy. Noheverina ihany koa ny fanomezana aina indray ny fiaraha-miasa amin’ny Tandrefana.

3) Ny fileferana teo amin’I Reagan tany Etazonia

Nanoloana ny fahasahiranana ara-toe-karena nohon’ny fitombon’ny fandaniana ara-tafika ny taona 1970 sy 1980 sy ny fidangan’ny fantiantoka ara-barotra ivelany nohon’ny fifaninanana ary vokatry ny fiantraikan’ny kirizy ara toe-karena, dia nilefitra I Reagan, ka nampiseho fahavononana tamin’ny fifanantonana indray an’I Moskoa.

II- Ireo zava-nisy nampiseho ny filefahana vaovao.[hanova]

1) Fiverenan’ny fifampidinihana mikasika indray ny fampihenana ny fiadiana mahery vaika (fifanarahana ara-tafika)

Nanisy lanja lehibe tokoa ny fifanarahana ara-tafika ireo fihaonana an-tampony maro teo amin’ny filoha roa tonta. Toy ny tany Geneve ny taona 1985, tany Reykjavik ny taona 1986…

a- Fifanarahana tany Genève ny taona 1985

Nifanaraka I Gorbatchev sy Reagan ny hampihena 50% ireo fitaovam-piadiana nokleary natao hanafihana.

b- Fifanarahan’ny FNI; Martsa 1987

Fifanarahana mikasika ny fanalana ireo balafomanga mahataka-davitra. Noho io fifanarahana io dia nalana tany Eoropa ireo SS20 sy ny Pershing II.

c- Fifanarahana START I: 1991

Fifanarahana fampihenana ireo fiadiana mahery vaika toy ireo balafomanga mahataka-davitra.

d- Fifanarahana START 2: 1992

Fanohizana ny fampihenana sy famerana ny fanamboarana ireo fiadiana mahery vaika natao hanafihana

Nitondra voka-tsoa ho an’izao tontolo izao ny finiavan’ny ngeza roa tonta hifanaraka. Hita taratra izany filefahana izany teo amin’ny fihatsaran’ny fifandraisan’ny ngeza roa tonta ary teo amin’ireo fitsaharan’ireo ady maro samihafa maneran-tany.

2) Fandaminana ireo ady tamin’ny faritra maro

Ø Nahavita dingana lehibe tamin’ny famahana ireo olana iraisam-pirenena ny sovietika: nalany tany Afghanistan ny tafika ny taona 1989, ka nampitsahatra ny olana tany ary noteren’izy ireo ny tafika vietnamiana hiala tany Cambodge ny taona 1991.

Namaha olana maro maneran-tany ihany koa ny fifanantonana teo anivon’ny “ngeza roa – tonta: fiafaran’ny ady teo amin’I Iran sy Irak ny taona 1988, ny fiafaran’ny ady an-trano tany Mozambika ny taona 1991, tany Angola ny taona 1992…

III- Ny faharavan’ny tontolo kaominista sy ireo fiantraikany[hanova]

Nanamarika ny filefahana vaovao ny faharavan’ny kaominisma.

1- Faharavan’ny demokrasia entim-bahoaka tany Eoropa Atsinanana

Tany Eoropa, dia rava tao anatin’ny enim-bolana ireo demokrasia entim-bahoaka izay niorina efa ho 40 taona ny taona 1989. Nisafidy ny fanalalahana ny fitondrana ny tany Pologne, Hongie, Roumanie, Bulgarie… taorian’ireo hetsi-bahoaka nitaky ny fanovana.

Ny faharavan’ny rindrin’I Berlin ny 9 Novambra 1989 no nanamarika ny faharavan’ny kaominisma tanteraka tany Eoropa. Rava nu fanjakana RDA; izay mafy orina indrindra ary nitambatra ho firenena iray I Alemaina ny 3 Oktobra 1990.

2- Ny faharavan’ny kaominisma maneran-tany

Taorian’ny firodanan’ny kaominisma tany Eoropa, dia nanomboka nitsipaka ny rafitra kaominista ihany koa ny ankamaroan’ireo firenena mpiara-dia tamin’ny sovietika, indrindra fa any amin’ny Andian-tany fahatelo. Nisafidy ny hampiatra ny rafitra demokratika izy ireo.

1- Ny faharavan’ny firaisana sovietika

Ny faharavan’ny firaisana sovietika dia tranga iray lehibe nanamarika ny fikefahana vaovao. Nohon’ny fanalalahana ny fitondrana nataon’I Gorbatchev tamin’ny fampiharana ny “Glasnost” dia tsy voafehin’ny PCUS intsony ny fanjakana, very hasina ny fitondrana ary tsy nahatantana araka ny tokony ho izy intsony ny toe-draharaham-pirenena.

- Nanomboka ny taona 1989 ihany , dia nanomboka nitaky fahaleovan-tena ireo repoblika mpikambana sasany teo anivon’I URSS.

- Nanafaingana ny faharavan’I URSS ny taona 1991 ny fanonganam-panjakana miaramila tsy nahomby ny volana Aogositra 1991. Taorian’io dia nahazo fahaleovan-tena avokoa ireo repoblika, rehefa nofoanana ny antoko kaominista.

- Nanangana ny CEI ireo firenena mpikambana teo anivon’I URSS ny 08 Desabra; izay nanamarika ny fiafaran'i URSS.

- Filohana firenena tsy misy intsony, voatery nametra-pialana I Gorbatchev ny 25 Desambra 1991.

2- Fiafaran’ny ady mangatsiaka

· Taorian’ny faharavan’ny firaisana sovietika na I URSS, dia nifarana ny ady mangatsiaka ary nivoaka mpandresy ny amerikana. Vokatr’izany dia izy ireo noi hany firenen-dehibe manjakazaka maneran-tany.

  • Ny lamina vaovao maneran-tany nanomboka ny taona 1991

- Teo amin’ny lafiny ara-politika; i Etazonia no hany firenen-dehibe tokana mifehy izao tontolo izao teo amin’ny lafiny rehetra: “mpitandro filaminan’izao tontolo izao”. Lasa fikambanana manan-danja maneran-tany ny ONU amin’ny fitandroana ny filaminana maneran-tany sy ny famahana ireo olana iraisam-pirenena. Ny demokrasia malalaka no rafitra politika maodely maneran-tany.

- Teo amin’ny lafiny ara-toe-karena; dia nahazo laka maneran-tany ny fanalalahana ara-toe-karena, ary niroborobo fatratra ny fanantontoloana.

Ny fetran’ny filefahana vaovao[hanova]

- Ny fahazoan’ny nasionalisama sy ekstremisma vahana ka nitarika fisaratsarahana tany amin’ny firenen-tsamihafa sy nahatonga tsy filaminana tany amin’ny faritra maro teto anivon’izao tontolo izao. Isan’izany ny ady tany Bosnia ny taona 192-1995, ny ady tany tchéchénie nanomboka ny taona 1994…

- Ny fahazoan’ny fampihorohoroana iraisam-pirenena laka teto anivon’izao tontolo izao

- Fifandonana sy herisetra nanjaka tamin’ny faritra maro maneran-tany.; adin’I Golfe 1991, ady an-trano maro tany Afrika…

- Ny fahasarotana tamin’ny firosoana tamin’ny demokrasia dia niteraka korontana ara-politika maro sy tsy fahatomombanan’ny fitondrana ary nanamafy ny fahantrana tany amin’ny firenena maro taty Afrika.

Mbola hitohy....